- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTovolahy roa maty tao Ambalakisoa Toamasina : Niravona ny olan’ny zandary sy...

Tovolahy roa maty tao Ambalakisoa Toamasina : Niravona ny olan’ny zandary sy ny zanak’ Atsimo Atsinanana

Ny sabotsy misandratr’andro teo no natao tao Morarano – Ambalakisoa ny lanonam-pihavanana teo an’ny zandary Toamasina sy ny zanaky “grand sud” Toamasina, momba ilay olan’ny tovolahy roa maty voatifitra tao an-toerana noho ny hevitra nifamahofaho. Ny Jly Tsirivelo Nicolas no nirahan’ny sekreteram-panjakanan’ny zandarimariam-pirenena teto Toamasina nandamina ny raharaha, niaraka tamin’ny Kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina sy ny Kaomandin’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana. Taorian’ny fifandaminana teo amin’ny roa tonta, dia niantoka omby telo ho mariky ny famitranam-pihavanana ny zandary, ka ny roa nanaovana ny “lofo” ho an’ny maty, ny iray hafa kosa natao “omby mamy” ho an’ny fianakaviana nanamanjo. Tao anatin’ny lahateny nifanaovan’ireo solontena avy isam-poko mamaritra ny zanaky ny “grand sud”, dia samy nilaza avokoa izy rehetra fa “tsy miady amin’ny zandary sy tsy hiady aminareo izany izahay, fa ny fametrahana ny tany tan-dalana sy famoahana ny marina no tadiavinay. Izao nohajainareo ny fomban-drazana sy ny hasin’ny maty, dia miverina ny fihavanantsika sy ny fifampitokisana eo amintsika”. Ankilan’izany anefa dia mbola nilaza ny reny sy ny reniben’ireo tovolahy maty ireo, fa “mila gadraina hamita ny saziny noho ny vono olona nataon’ireo zandary namono ny zanakay”. Nohamafisin’izy ireo hatrany koa ny fangatahan’izy ireo ny fanadiovana ara-keloka ny zanany, fa tsy jiolahy izany. Ankoatra izany, nanome toky ny zandary Toamasina, fa na eo aza ity famitranam-pihavanana sy famerenam-pitokisana eo amin’ny zandary sy ny zanaky “grand sud” Toamasina ity, dia hitohy hatrany raharaham-pitsarana izay ao anatin’ny fanadihadiana lalina momba ny raharaha ny zandary misahana ny heloka be vava Toamasina izao, araka ny didy avy amin’ny fampanoavana Toamasina ; izay nametrahan’ireo fianakavian’ny maty ny fitoriany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici