Manomboka mipetraka ny fanontaniana ankehitriny hoe nisy tokoa ve ilay lozam-pifamoivoizana sa kosa entina hanakomana raharaha hafa. Tsy hita popoka i Tohavina Ratsimbazafy, tovolahy 19 taona, rehefa voalaza fa nodomin’ny fiara tetsy Ambohimiandra, tsy mianalavitra loatra ny hopitaly. Nisy niantso ny rainy fotoana fohy avy eo ary nitantara ny nahazo ny zanany. Isan’izany ny hoe nobatain’ny olona tao anatin’ny fiara nandona azy izy ary nentina tao anatin’izany. Noheverina izany teo hoe naterina eny amin’ny toeram-pitsaboana I Tohavina. Nandeha avy hatrany nitety ny hopitaly rehetra teto an-drenivohitra ary koa ny toeran-kafa mety ho nitsaboana azy ny ray aman-dreniny. Nanao torak’izany ihany koa ny zandary rehefa nisy nampandre ny fisian’ilay lozam-pifamoivoizana. Nandamoaka avokoa izany. Tsy hita nanomboka ny 26 desambra 2016 ilay tovolahy rehefa nolazaina fa niharan’ny lozam-pifamoivoizana. Nanjavona torak’izany ihany koa ny finday nampiasainy. Izany anefa dia voaporofo taty aoriana kely fa mbola nisy nampiasa, torak’izany ihany koa ny kaontiny amin’ny tambajotra sosialy « facebook ». Toe-javatra zay niteraka fanahiana ankehitriny raha tena nisy tokoa ilay lozam-pifamoivoizana na tsia. Iza ilay mampiasa ny laharana findainy ary izay ilay niantso nampandre ny ray aman-dreniny sy ny zandary ? Betsaka ny fanontaniana mipetraka momba ity raharaha izay efa eny am-pelan-tanan’ny pôlisy ity ny fanadihadiana azy. Efa nalefa im-betsaka tamin’ny gazety ny antso ho an’ny olona izay mety mahita an’I Tohavina saingy tsy nahitam-bokany izany. Nanjavona tanteraka ilay tovolahy ary tsy nahitàna vaovao momba azy intsony nanomboka ny 26 desambra teo. Mitohy ny fikarohana azy ankehitriny ary na ny ray aman-dreniny koa aza dia miady mafy ao anatin’izany.
D.R