Hatreto aloha, raha ny voalazan’ireo tranon-kala marobe any Paris, dia manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpitandro filaminana any an-toerana, hitadiavana ilay na ireo olona nahavanon-doza, namono nahafaty ilay tovovavy gasy, tao amin’ny kartién’i Menilmontant, Paris 20eme. Tsy mbola nisy anefa fanampim-baovao azo, avy tamin’ireo mpitandro filaminana, ankoatra ny hoe nisiana tsatok’antsy maromaro, hita teo amin’ny tendan’ity tovovavy ity, taorian’ny fizahana ifotony. Anisan’ny zavatra mahagaga ny maro ihany koa, ny tsy filazana ny mombamomba an’ity gasy maty an-tanin’olona ity. Araka ny filazan’ireo tranonkala marobe ireo ihany mantsy dia « notazonin’ireo mpitandro filaminana ho tsiambaratelo tanteraka ny mombamomba an’ity tovovavy. Ny hany fantatra dia hoe terantany malagasy izy io ». Nambara ihany koa fa fianakaviana tsy dia tia sehoseho loatra ny fianakaviana nisy an’ity tovovavy ity, ary mbola manana zandry vavy iray izy, araka ny fanadihadiana nataon’ireo mpanao gazetin’ny « 20 Minutes ». Ity farany ity hatrany no nilaza fa tokotany iray monja no manasaraka ny tranobe nipetrahan’ity tovovavy ity miaraka amin’ny reniny sy ilay toerana nahita ny fatiny. Fanontaniana eny am-bavan’ireo mpanara-baovao maro dia ny hoe, hisy ve ny fepetra horaisina sy fandraisan’andraikitran’ireo tompon’andraikim-panjakana aty amintsika, toy ny nataon’ireo tany ivelany, raha nisy iray tamin’izy ireo, maty nisy namono taty Madagasikara ?
m.L