- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTovovavy gasy nisy namono tany Paris : Tonga teto an-tanindrazana ary nalevina...

Tovovavy gasy nisy namono tany Paris : Tonga teto an-tanindrazana ary nalevina omaly tetsy Anjanahary

Mitambesatra ny alahelo. Najombomba dia najombona tokoa ny teny amin’ny faritra Behoririka sy Anjanahary omaly, nandritra ny fandevenana ilay tovovavy gasy nisy namono tany Menilmontant, Paris. Fandaozana tampoka tamin’ny fomba mahatsiravina tokoa. Raha ny fantatra, dia ny zoma vao maraim-be teo no tonga teto an-tanindrazana ny nofo mangatsiakany. Nandrasana teny amin’ny Cercle Chinois etsy Behoririka ny sabotsy alina ary napetraka, hihazo ny fonenany mandrakizay etsy amin’ny simetiera Anjanahary. Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra tanteraka izay nahavita izao habibiana tsy roa aman-tany izao, mbola eo am-pikarohana ny marina ireo mpitandro  ny filaminana any am-pitandranomasina any. Raha ny siosion-dresaka mandeha fotsiny ihany, dia efa misy ny olona nohadihadiana sy voatana ka natao « detention provisoire », voarohirohy ho isan’ny tompon’antoka tamin’ity famonoana ity. Tsiahivina fa ny 14 janoary teo no niseho ny tsy nampoizina, raha teny an-dalana handeha hianatra ity tovovavy ity. Nahitana diana antsy maromaro teo amin’ny tendany, antony izay nitarika ny fahatesany, tao amin’ny trano tsy lavitra ny toeram-ponenany. Teo anatrehan’izany, tsy nitazam-potsiny fa nandray ny andraikiny sy nanampy avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, teto an-toerana na tany ivelany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser