Vanessa, 22 taona, avy any Fenerivo atsinanana, no hita faty nisy namono tao Mangarivotra atsimo mifanakaiky tamin’ny toerana nahitana ny fatin’i Owne Alek farany teo ny alarobia maraina teo. Ny angom-baovao natao dia nisy nahita ity tovovavy ity namonjy ireny toeram-pilanonana “karaoke” ireny ny alin’ny talata nifoha ny alarobia teo tao Ankirihiry. Olom-baovao tamin’ity toeram-pilanonana izy raha ny fanazavana hatrany ka nitangoronan’ireo tovolahy mpivoaka alina ihany koa. Teo no voalaza fa nisy tezitra taminy ireo tovovavy mpiavoaka niray “karaoke” taminy noho izany fa mpanimba tsena ity tovovavy vaovao ity. Nandritra ny fizahana ny razana teny Mangarivotra atsimo no nahafantarana ny fomba namoana ity tovovavy 22 taona ity. Teo aloha ny zava-maranitra nanindronana ny lohany sy ny sofiny havanana; teo koa ny faritra mangana hita teo amin’ny tendany izay nisy ny fanakendana azy tamin’ny vono olona natao. Ankoatra ny fampiasana harona sachet tamin’ny fanasemporana azy, satria hita mangana ihany koa ny tarehiny ary mbola tavela teo amin’ny lohany ilay harona tamin’ny nahitana ny fatiny. Ny fokonolona tao amin’ny fokontany Mangarivotra atsimo P/elle 21/54 tamin’ny alalan’ny tranom-pokonolona no nandray an-tanana aloha ny fatiny; izay niandry ny fiavian’ny havan’ny maty avy ao Mahavelokely Fenerivo atsinanana araka ny vaovao. Na mbola tsy nitory aza any fianakavian’ny maty dia efa misokatra ny fanadihadian’ny polisy mikasika izany satria resaka vono olona ny raharaha, hoy ny mpitandro ny filaminana.
Malala Didier