- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTovovavy maty novonoina : Kivy ny fianakaviana fa tsy mandroso ny fanadihadiana

Tovovavy maty novonoina : Kivy ny fianakaviana fa tsy mandroso ny fanadihadiana

“Efa maherin’ny iray volana izay no nahafaty ilay tovovavy havanay kanefa hatramin’izao dia mbola tsy hita soritra mihitsy ny fandroson’ny fanadihadiana”, hoy ny fianakavian’ny maty nanazava, tamin’ny endrika kivy. Raha tsiahivina dia ny tapaky ny volana jiona teo no hita faty ao anaty kirihitr’ala teny Anjomakely ny razana. Rehefa nojerena akaiky dia nokendaina no isan’ny nahafaty azy, ka “cache-nez” no nentin’ireo mpamono nanantotosa an’izany. Mipetraka eny Itaosy kosa ny fianakaviany ary izay mitaky ny mba hijeren’ny tompon’andraikitra akaiky ny raharaha, satria mahakasika heloka bevava izy ity. Izy ireo ihany no nanazava fa nisy olona niantso an-telefaonina ilay tovovavy talohan’ny nivoahany ny trano. Nanomboka teo dia tsy hita intsony izy raha tsy efa maty, telo andro taty aoriana. Mpiara-mivarotra fiara aminy no niantso, raha araka ny fahafantaran’ny fianakaviana azy. Efa nisy ny olona nohenoin’ny mpanao fanadihadiana, momba ity raharaha ity, saingy hatreto aloha dia nijanona tamin’izay fotsiny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici