- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTovovavy nisy naka an-keriny : Nisy nanary teo akaikin’ny seranan-tsambon’i Toamasina

Tovovavy nisy naka an-keriny : Nisy nanary teo akaikin’ny seranan-tsambon’i Toamasina

Tovovavy iray voalaza fa nisy naka an-keriny avy any Fianarantsoa no tsaboina ao amin’ny hopitaly be Toamasina nanomboka ny alahady maraina be, fa nisy nanary teo akaikin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Raha ny filazany izay hany tadidiny, dia nirava tamina “kioska” fanakalozam-bola amina finday ireny ny tenany, no nisy olona nibeda tampoka sy naka an-keriny azy. Nony tonga tao anatin’ilay fiara izay tsy hainy ny karazany sy ny laharany, dia nisy nanindrona fanafody tsy fantatra sy nampisotroina ranon-javatra hafahafa ny tenany ary nanomboka teo, dia tsy nahatsiaro tena intsony ny tenany araka ny filazany. Nambarany hatrany, fa efa nisy vehivavy iray hafa efa tsy tonga saina intsony hitany tao anatin’ilay fiara nisy azy ireo, nefa gaga izy fa tsy hitany io vehivavy iray io taorian’ny nahatsiarovany tena raha nisy nanary teo amin’ny làlan’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny tenany ny alahady maraina be. Raha ny voalazan’ity tovovavy nisy naka an-keriny tany Fianarantsoa tonga eto Toamasina ity, dia lava ranjanana sy goavam-be ireo lehilahy naka an-keriny azy ireo, tsy fantatra izay tanjon’izy ireo tamin’izany hoy ity tovovavy ity, satria vao voatsindrona sy nisotro ranon-javatra hafahafa nomen’izy ireo ny tenany dia nanjavona taminy ny tany aman-danitra ka ny fanariana azy teto Toamasina vao nahatonga saina azy indray. Ho hita eo ny tena zava-nisy marina momba ity raharaha hafahafa nitranga teto Toamasina ny alahady alina ity, efa manao ny fanadihadiana mikasika izany ny polisy izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici