- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTovovavy nisy namono tao Mangarivotra Toamasina : Hita faty, namono tena ihany...

Tovovavy nisy namono tao Mangarivotra Toamasina : Hita faty, namono tena ihany koa ny sakaizany, omaly

Taorian’ny nahafaty ilay tovovavy 22 taona tao Mangarivotra atsimo, ny alarobia teo, dia hita faty tao Mangarivotra atsimo tokony ho tamin’ny mitatao vovonana koa ny sakaizany, ny alakamisy 19 mars teo. Raha ny fanazavana azo, dia efa nahiana tamin’ny famonoana ity tovovavy 22 taona ity io sakaizany io noho ny fahasarotam-piaro hoy ny mpitandro ny filaminana. Satria hita taratra tamin’ny fomba nahafaty sy namonoana ilay tovovavy izany tao anatin’ny fanadihadiana,  nisy nahatsikaritra izy nanara-dia an-kolaka an’ity tovovavy ity tamin’ny fivoahany alina tany amin’ny “karaoke”, ka amin’ny mpitandro ny filaminana dia manetsin-keloka ity tovolahy ity tamin’izao famonoana tena natao izao mba tsy hisian’ny fanenjehena azy intsony. Na na izany anefa, dia mitohy ihany ny fanadihadiana satria tsy olon-drery no nahavanona izao vono olona izao, fa nisy olona niaraka taminy raha ny angom-baovao natao. Raha ilay toerana nahitana ny fatin’ity tovovavy ity, ny alarobia dia tsy teo amin’ny faritra nahitana ny fatiny no tena namonoana azy, fa nentina teo fotsiny ny fatiny taorian’ny famonoana azy. Ho hita eo ny tohiny…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici