Tao anatin’ny herinandro izay dia tsy nitsahatra mihintsy ny fijojon’ny orana teto Toamasina, nanampy trotraka izany koa ilay andro ratsy ANA niditra tsy lavitry Toamasina taorian’ny fiforonany, izay efa tafavoaka ny ilany andrefan’ny nosy iny. Vokatra izany maro ireo fokontany dibo-drano noho ny orana nijojo, ka isan’izany ny tao Andranomadio, Mangarano, Morarano, Anjoma, Salazamay,… ary Ambohijafy; ity farany no tena voamafy indrindra satria nahita tra-boina niisa 87 avy amin’ny fianakaviana 13 noho fiakaran’ny rano be loatra sy faharavan’ny tranon’izy ireo. Voatery napetraka ao amin’ny Epp Ambohijafy ireto fianakaviana tra-boina ireto alohan’ny rano ritra ahafahan’izy ireo mamonjy ny tokantranony indray. Ankilan’izany dia manampy ireo fokontany mandritra ny rano misy eny aminy ny sampana mpamonjy voinan’ny kaominina, amin’ny fitsetsefana ireo rano miangona samy hafa, tahaka ny nataon’izy ireo tao Salazamay Atsimo. Hatreto aloha dia fanampiana vary masaka no azon’ireo tra-boina eny amin’ny Epp Ambohijafy izay karakarain’ny kaominina sy ny Bngrc. Ankoatra izany dia manentana hatrany ny Bngrc mba hisian’ny fampilazana ireo filoham-pokontany raha misy zavatra mitranga eny amin’ny fokontany samy hafa eny, na fiakaran’ny rano, na hazo tokony ho tapahana, mba hialana amin’ny loza.
Malala Didier