- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversTra-tehaka nanolana sy nandroba : Jiolahy raindahiny roa lahy voasambotra

Tra-tehaka nanolana sy nandroba : Jiolahy raindahiny roa lahy voasambotra

Garabavy sy Dada, dahalo raindahiny any amin’iny distrikan’i Marovoay iny voasambotry ny miaramila avy ao amin’ny holafy faha-406 ny faran’ny herinandro lasa teo. Nitrangana fanafihan-dahalo tokoa mantsy tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Miadana, ao amin’ny ny kaominina Marovoay alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny vao mangiran-dratsy tany ho any. Tsy vitan’ny nandroba ireo mponina fotsiny anefa ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io, fa sady manolana ireo vehivavy izay tratran’izy ireo tao an-tanàna. Vao naheno ny antso vonjy ireto miaramila mpampandry tany ireto dia niroso avy hatrany nidina tany an-toerana. Dahalo roa lahy, izay mbola tra-tehaka tanteraka teo am-panolanana sy teo am-pandrobana tokatrano iray tao an-toerana no novantanin’izy ireo. Noraisim-potsiny araka izany ireto farany, izay mbola tratra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana, basy vita gasy fampiasan’izy ireo amin’ny asa ratsy ataony. Tratra tany amin’izy ireo ihany koa, raha ny vaovao voaray hatrany ny ody gasy, mohara marobe izay hitompoan’izy ireo fatratra. Malaza any an-toerana tokoa mantsy fa mpilalao ody hikoizana any amin’iny faritra iny ireto olon-dratsy ireto ambonin’ny mahadahalo raindahiny azy ireo. Natolotra ny tomponandraikitra misahana ny famotorana moa ireto olona voasambotra ireto taorian’izao fanamborana azy izao. Anisan’ny faritra mbola azo lazaina fa hanjakan’ny asan-dahalo mivaivay tokoa raha iny faritra avaratra andrefana iny, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ao amin’ny faritra Betsiboka, izay mbola hanjakan’ny tariky ry Del kely sy ny forongony.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici