- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilÀ lireAmbohimalaza : « Trading » feno fisolokiana, roa voasambotra

Ambohimalaza : « Trading » feno fisolokiana, roa voasambotra

Olona 15 samihafa no mpitory

Mbola misy ihany ny voafitaka amin’ity resaka « trading » ity. Mahakasika fampiasam-bola tsy hita maso izany ary ahazoana tombony hatramin’ny 50% isan-kerinandro. Ny eto an-drenivohitra efa betsaka ihany no mailo satria efa maro ny very vola. Lasa ny tontolo ambanivohitra indray no ataon’ireo mpisoloky lasibatra. Tetsy Ambohimalaza, niainga tamin’ny fampiofana aloha ny raharaha. Rehefa roboka tamin’ny fandemen-tsaina ny olona dia nanao petra-bola ahodina amin’izay. Dia nanjavona niaraka tamin’izany ireo olona roa izay tompon’andraikitra amin’ny « trading ». Raha ny fanazavan’ny zandary ao Ambohimalaza izay niandraikitra ny fanadihadiana dia efa tonga hatrany amin’ny faritra Sava ireo olona ireo manao ny asaratsy. Mampiasa kara-panondro sandoka roa karazana izy ireo amin’izany. Rehefa nozohina dia ireny karatr’olona very ireny no soloina ny sary ary ampiasaina amin’ny fisolokiana. Ny herinandro lasa teo dia nisy nampandre ny zandary fa miafina ao Ankadiefajoro (Anjeva Gare) ireo olona. Natao ny fisamborana ary nosokafana ny fakàna am-bavany. Vantany vao nandre izany ny olona dia nanao tohivakana nametraka fitoriana teo amin’ny zandary. Tafiakatra 15 ny isan’ireo mpitory amin’ity raharaha ity ary efa samy nahazoan’ireo mpisoloky vola avokoa. Miainga amin’ny 750.000 Ariary ny kely indrindra amin’izany. Natolotra ny fampanoavana ireo olona roa izay voarohirohy amin’ny asa fisolokiana sy fampiasana hosoka. Nidoboka am-ponja ilay lehilahy raha arahin’ny fitsaràna maso kosa ny vehivavy mpiray tsikombakomba aminy. Hotsaraina ao Anosy amin’ny 10 jiona hoavy izao ny raharaha.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici