Nateliny ireo zava-mahadomelina 20 izy efa anaty kapsily miendrika fanafody. Izany dia mba hahafahany mitatitra azy ary miala amin’ny fitsirihana rehetra izay mety hatao amin’ny mpandeha fiaramanidina. Dia tongany teto Madagasikara tokoa izany rehefa niala tany Sao Paulo, tany Brésil. Izany hoe efa nitety firenana maromaro. Sarona anefa izany tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 24 jiona lasa teo. Omaly no natolotra ny fampanoavana ilay vehivavy ary nidoboka am-ponja vonjimaika etsy Antanimora mandram-pahatongan’ny fotoam-pitsaràna azy. Roa izany izao ny teratany vahiny izy tazomina am-ponja ankehitriny ary samy vehiavy avokoa izy ireo. Ny iray ankoatr’io dia ilay Boliviana izay nitondra zava-mahadomelina izay nafenina ihany koa tao anatin’ny taovany. Io indray dia voatery nentina teny amin’ny hopitaly avy hatrany ary nomena fanafody izay mampivoaka avy hatrany ny tao anatiny. Dia nivoaka tsikelikely tao ireo cocaine marobe izay nafenina. Maromaro ny trafika izay nokasaina natao tato ho ato. Vao tamin’ny voalohan’ny herinandro teo koa no nisy malaiziana roa izy nosamborina rehefa saika hanondrana sokatra ho atsy amin’ny nosy maorisy. Miisa 22 ireo biby arovana no nafenin’izy ireo tao anatin’ny valizy efatra. Sarona teo amin’ny fitsirihana natao tetsy Ivato koa ireo lehilahy ireo ary nosamborina avy hatrany. Hatramin’ny omaly, dia mbola mitohy ny fanadihadiana ary tsy mbola natolotra fampanoavana izy ireo. Mbola vao tsy ela koa, raha tsiahivina kely, no nahazoana ireo maorisiana telo tetsy Manjakandriana izay mbola saika hanondrana zava-mahadomelina mahery vaika. Amina miliara avokoa ny teti-bidin’ireo “entana” rehetra izay sarona ireo ary tsy misy hamidy eto Madagasikara, fa mivoaka any ivelany avokoa.
D.R