- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTrafika isan-karazany : Malaiziana, Maorisiana, boliviana, breziliana MD

Trafika isan-karazany : Malaiziana, Maorisiana, boliviana, breziliana MD

Azo deraina ny ezaka izay nataon’ny tompon’andraikitra tato ho ato. Saika mba sarona avokoa izay fikasana ny hanondrana zava-manan’aina voaaro ary koa ny trafika zava-maha-domelina mahery vaika. Tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo no nidoboka ao Antanimora ireo malaiziana roa izay nikasa ny nitondra sokatra 22 izay nafenina tao anatin’ny valizy efatra saingy sarona nandritry ny fitsirihina. Tsy ireo ihany ankehitriny ny teratany vahiny izay efa tazomina any am-ponja amin’izao fotoana satria mbola ao koa ireo maorisiana miisa telo izay nikasa ny hanondrana rongony mahery vaika (drogue dure), ny boliviana sy breziliana izy voarohirohy noho ny raharaha mitovy. Momba ny zava-maha-domelina dia efa voaporofo tanteraka ankehitriny fa toerana handalovan’izany eto Madagasikara. Mora kokoa ny hampidirana izany ao amin’ny nosy rahavavy sasany toa an’I Maorisy izay be mpidoroka indrindra eto Afrika, raha miala avy eo amintsika. Izay no kajin’ireo mpanondràna izay efa mahafantatra ny fisian’ny kolikoly avo lenta. Tsy nahomby anefa izany tato ho ato satria mba sarona hatrany arak’izay voalaza etsy ambony, ary nisesisesy aza, ireo fikasana rehetra. Ny mahavariana kosa, tamin’ny sasany tamin’ireo raharaha ireo, dia ny fidirana an-tsehatry ny firenena izay voakasika ny amin’ny mba hamerenana ny olony any amin’ny taniny ka any no hitsaràna azy sy hitazomana am-ponja azy ireo. Mba tsy nanaiky koa anefa ny manam-pahefana Malagasy ny momba an’izany. Mipetraka ny fanontaniana hoe firenena tsy misy fanjakana ve ny fiheveran’ireo firenena sasany ny nosintsika? Taiza no mba nisy Malagasy izay nanao heloka bevava tany amin’ny firenen-kafa ka nampodiana teto amin’ny firenena na dia teo aza ny fangatahana? Mila mitohy ny ezaky ny manam-pahefana isan’ambaratongany, ny mpitandro ny filaminana sy ny ladoany ary ny fitsaràna, mba hanovana izany fijery manivaiva izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici