- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTrafika tetsy Ivato : Nahazo volabe tambin-karama ireo nahatratra

Trafika tetsy Ivato : Nahazo volabe tambin-karama ireo nahatratra

Olona efatra ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ladoany etsy Ivato izay nahasarona ny fikasàna hanondrana harem-pirenena. Samy nibata 97 tapitrisa ariary avy izy ireo, araka ny fampanantenan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny amin’ny hanomezana tambiny ireo izay mahatratra mpanondrana biby arovana na harem-pirenena. Nahazo fiakarana grady koa ireo sasany izay niara-nisalahy tamin’ireo mpiasan’ny ladoany efatra ireo manodidina ity fisamborana mpanao trafika ity. Momba ny volamena indray dia nahazo maherin’ny 25 tapitrisa isan’olona ireo efatra izay niara-niasa nahatratra ireo nikasa hanondrana. Napetraka ny laharana hahazoana ny mpitondra ny firenena ary raha sendra misy mitady hanindry bokotra na manelanelana dia avy hatrany dia azo antsoina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici