- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversTrafika voamason’olona : Efa-dahy nirahina voasambotry ny zandary tany Ampanihy Andrefana

Trafika voamason’olona : Efa-dahy nirahina voasambotry ny zandary tany Ampanihy Andrefana

Tovolahy manodidina ny 19 taona teo ho eo no lasibatry ny mpanao trafikan-taova, tao amin’ny fokontany Beheva, kaominina Androka, distrikan’Ampanihy, ny voalohandohan’ny volana teo. Efa tsy hita teo aminy intsony ny masony anankiroa.

Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Androka, nanao ny fanadihadiana rehetra. Raha ny filazan’izy ireo dia olona teo an-tanàna ihany ary fantatr’ireo mponina tsara, rehefa nisy ny famoriana ireto farany, nataon’ireo mpitandro filaminana, no nahavanon-doza tamin’izany. Niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana izany olona izany ireo zandary. Nanomboka tamin’ny fisamborana ny iray tamin’izy ireo aloha ary niafara tamin’ny fahatratrarana olona efa-dahy, izay fantatra fa isan’ireo niray petsapetsa tamin’izany asa ratsy izany. Roa herinandro teo no nahavitan’ireo zandary ny fanadihadiana, ary mbola mitohy hatrany izany any an-toerana.

Raha ny fanazavana azo hatrany mantsy, iraka fotsiny ry zalahy ireto. Nisy olona nampanasa an-dry zalahy haka voamason’olona. Matoa sahy niroboka izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana azo, dia mety ho volabe ny tambiny. Ny somary nahatsikaiky anefa, ny asa vita, ny entana efa lasa, saingy tsy nandray na dia vidin-kafe aza izy ireo. Ary ny loza dia izao voasambotra izao. Voalazan’izy ireo tao anatin’ny famotorana mantsy fa tsy nahafantatra akory izay olona nandray ny entana ireto farany. Ary na izy ireo aza dia toa mpijoko voajoko ihany. Mbola eo am-pikarohana izany atidoha izany araka izany ireo mpanao fanadihadiana any an-toerana, raha ny fantatra hatrany.

Taorian’ny resaka halatra olona varira dia ity halatra taova, raha ny marimarina kokoa, ity halatra voamaso ity indray no miha-mahazo vahana. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony ilana izany voamason’olona izany. « Izay olona nampaniraka ihany angaha no mahafantatra ny hanaovany izany », hoy ireo mpanao famotorana. 

m.L 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici