Efa an-taoniny maro ihany izay rongony saron’ny mpitandro filaminana ary efa maro dia maro ireo olona no nadoboka am-ponja. Mbola betsaka ihany koa anefa ireo tsy fay fa mbola mirotsaka hatrany amin’ity resaka fanaparitahana rongony ity. Toy ity tany amin’ny faritra Sava ity, rongony milanja eo amin’ny 31 kilao indray no saron’ny zandary tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambodimanga, kaominina Antsahavaribe, distrika Sambava, ny alarobia lasa teo. Raha ny fanazavàna azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia nisy ny angom-baovao azo avy amin’ireo olona tsara sitrapo mahakasika ny fisian’ny mpisera rongony tao amin’io tanàna voalaza io. Nisy avy hatrany ny fidinanan’ireo tompon’andraikitra tany. Mbola tratra teo am-pidorohana rongony moa ny roa lahy izay, izay nosamborina teo no ho eo ihany. Tamin’ny fisavàna ny trano nisy azy ireo no nahitàna ratsan-kazo maina nameno gony maromaro. Rehefa notiliana dia hita fa rongony amin’ny kilao maromaro izany, izay notsinjaraina tamin’ny gony maromaro. Mbola nahitàna tavoahangy iray ihany koa tao amin’izy ireo izay voalaza fa hoe fitaovana hifohan’izy ity zava-mahadomelina ity. Taorian’ny fakàna am-bavany azy ireo teny anivon’ny biraon’ny zandary tany an-toerana dia natolotra ny Fampanoavana. Nandray fepetra ny hampidiritra azy ireo am-ponja vonjimaika ireo mpitsara mpanao famotorana taorian’izay. Ireo rongony marobe kosa dia nogiazana ary tsy maintsy hopotehina eo imason’ireo tompon’andraiki-panjakana.
m.L