Rongony manodidina ny 29 gony teo indray no saron’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, teny amin’iny faritra Ampitatafika iny, ny alarobia lasa teo. Tombanana ho manodidina ny sivy tapitrisa ariary any ho any ny tombam-bidin’ireto zava-mahadomelina ireto. Nokasain’ireo olon-dratsy hamidy telo hetsy ariary isaky ny gony mantsy izany.
Ny alatsinainy lasa teo no nahazo vaovao ny teo anivon’ireto polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ireto, mahakasika ny fisiana fitaterana entana mampiahiahy amina gony maromaro, miainga avy eny Ampitatafika ary hentina miakatra ny Renivohitra. Nahiana avy hatrany ho zava-mahadomelina izany entana izany, ka nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo mpitandro filaminana niezaka nitsirika sy nanara-maso ny fivezivezena tao amin’ilay trano, ary nanao ny fanadihadiana rehetra. Ny alarobia maraina teo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy hatrany no re fa hoe misy entana manodidina ny 14 gony eo ho eo miala eny Ampitatafika, ary entina ao Vinany Itaosy. Fantatra tamin’izany, fa rongony mihitsy no ao anatin’ireo gony ireo. Tsy niandry ela dia efa voapetraka ny tetikady rehetra entina hanakanana ilay fiara. Tsy lasa lavitra ilay toerana niaingana akory moa dia efa voasakana ka tra-tekaka ireo gony am-polony maro. Ary rehefa nosavaina dia hita tokoa fa rongony maina no tao anatiny. Nosamborina avy hatrany ny mpamilin’io fiara io sy ny olona niaraka taminy, izay voalaza fa tompon’ny entana.
Tsy nisalasalàna intsony araka izany ho an’ireo mpanao fanadihadiana, fa tena olon-dratsy mpanao trafikana rongony ireto olona ireto. Voalaza, fa tamin’ny fisavana ilay trano saika hitondrana ireto zava-mahadomelina tamin’ny gony ireto, dia mbola nahitana gony feno jamala teo amin’ny 15 teo, tao. Araka izany manodidina, 29 gony ny totalin’ireo zava-mahadomelina sarona, izay milanja 350 kilao teo ho eo. Tamin’ny fanadihadiana ilay tompony efa tratra niaraka tamin’ilay fiara no nahafantarana, fa novidina teo an-dRenivohitra ihany izy ireo. Nokasaina hangalana tombony satria dia roa hetsy ariary no nangalany ny iray gony, ary notetehana hamidy telo hetsy ariary. « Nilaza ho voafitaka kosa ilay mpamily, satria nambaran’io tovolahy io fa lamba amin’ny gony no hotaterina ary izy ihany no nampiditra ireo entana ireo tao anatin’ilay fiara ». Fialana bala sa tena voafitaka tokoa ? Ny eny anivon’ny Fitsaràna ihany moa afaka mamantatra izany, fa hatreto dia naman’ny mpanao ratsy ihany ity farany ary samy notazonina natao andrimaso eny anivon’ny biraon’ny polisy mandra-piandry ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L