Mbola miteraka resa-be hatrany eo anivon’ireo mpiasa ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny fisian’ilay tranga mahakasika ny fanondranana an-tsokosoko sokatra teo an-toerana. Tafavoaka tokoa ireo biby arovana ary tsy nisy olana teo Ivato. Efa tany amin’ny seranam-piaramanidin’ny firenen-kafa, nandritry ny fitsirihina sy fisavana entana vao tsikaritra, fa misy sokatra ny valizy roa. Io firenena io no nampandre ny sampana iraisam-pirenena; izay misahana ny fiarovana ny biby tsy azo amidy sy aondrana ary ireo farany no nametraka fitoriana. Koa satria fitoriana iraisam-pirenena no nitranga, dia tsy maintsy nisy ny fanadihadiana arahin’ny vokatra haingana. Mpibata entana efatra teo Ivato no nosamborina ary nadoboka am-ponja etsy Antanimora. Teo indrindra no nitarika ny resa-be, satria ny mpibata entana dia tsy mahafantatra izay ao anatin’ny valizy tateriny raha ny tokony ho izy. Nandeha koa ny resaka, fa efa tsy hita intsony ny tena atidoha nikotrika ny fanondranana. Sady niala tamin’ny asany izy no tsy hita popoka. Mitentina miliara ariary ny vidin’ireo sokatra ireo ary mazava hoazy fa mamofona bizina goavana be ity fanondranana izay nitranga ity. Dia nisy arak’izany ny tsy maintsy nosamborina, raha ny fijerin’ireo olona maro izay niresaka momba ity raharaha ity, mba hentina hanaporofoana fa tena nisy tokoa ny fandraisana andraikitra. Ny tena nahazo ny volabe anefa efa tafaporitsaka ary migoka izay vola azo fotsiny…
D.R