Tsy teto Madagasikara akory no voasambotra izy ireo fa tany an-tanindrazany. Ny antony dia noho ny fivarotana sokatra, ilay antsoina hoe « Angonoka » ny karazany ary mipetraka ao anaty faritra arovana eto Madagasikara ka tokony tsy ho azo kitihina, nefa dia tafavoaka soa aman-tsara tao ary tany Bangkok vao hita. Attiya Sriduang (41 taona), Youngyut Thamsinjon (40 taona) ary Nattawut Pathummet (31 taona) no anaran’ireo voasambotra ka notaterin’ny gazety any an-toerana. Tsy niafina izy ireo fa nivarotra izany tao amin’ny tsena izay tazominy, Zone D, ao Chatuchak Market. Ny alahady teo no tsikaritry ny pôlisy izay notarihan’ny Lietnà Kanathat Musikanon izany toe-javatra izany. Nandeha avy hatrany ny fisamborana. Nihaona tamin’ny mpanao gazety ireo mpitandro ny filaminana, ny tolakandro ihany, ary nampahafantatra ny zava-nitranga. Tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ny Angonoka (Astrochelys Yniphora) ary isan’ny biby arovana satria mitady ho lany tamingana. Isan’ny voakasika ao anatin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny tontolo iainana CITES ny fiarovana azy sy ny tsy ahazoana mivarotra azy. Nisy ny fanadihadiana lalina vao tonga tamin’izao vokatra izao, raha araka ny fanazavan’i Kanathat Musikanon. Nisy ny firesahana tamin’ireo mpanao trafika tamin’ny alàlan’ny tambajotran-tserasera ary mody nanao ho mpividy ny pôlisy. Nangatahina ny sarin’ireo sokatra ary dia nomen’ireo olona hojonoina tokoa. Manodidina ny Bt 180.000 ny hamarotan’ireo Thailandais ny iray. Nandà hatramin’ny farany ireo olona nosamborina fa tsy mpanao trafika izany, fa nolazainy kosa fa olon-tsotra no nanome ny sokatra ho azy. Tokony ho henatra ho an’ny manampahefana miandraikitra ny tontolo iainana ny tranga toy izao. Ho an’ny olona, mihatra avy hatrany ny fampiharana ny fifanarahana sy ny andinin-dalàna ao anatin’ny CITES. Sokatra telo dia efa nihetsika be ny manam-pahefana isan-tsokajiny. Ny antsika, mivoaka ny andramena, ny sokatra, ny volamena, ny safira sns toa mbola tazanim-potsiny hatrany aloha hatreto…
D.R