Raha tokony ho ny alatsinainy lasa teo no natolotra ny Fampanoavana ireo zandary roalahy, niaraka tamin’ireo olona maromaro hafa voarohirohy tamina resaka aferana basy , tetsy Namontana, dia omaly izany vao tanteraka. Araka ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana, dia nalefa avy hatrany eny Antanimora ny olona fito, ireo zandary sy ireo olona dimy hafa, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Tsiahivina fa ny sabotsy lasa ireto olona ireo no voasambotry ny pôlisy miady amin’asan-jiolahy mahery vaika tetsy Namontana. Tamin’ny alàlan’ny tetika maty paika, no nanjonoana ireto mpivarotra basy tsy ara-dalàna ireto. Tamin’io fotoana io mantsy, dia milaza ny olona iray, fa manana basy amidy ary tamin’izany no nahatrarana ny telolahy, ireo mpitandro filaminana ireto tao anatiny. Tao anatin’ny fanadihadiana kosa no nahampaingorana ireo olona sasany hafa, teny amin’iny faritra Anosimpatrana iny. Olona valo no noraisim-potsiny tamin’izany; izay mbola nahitana vodina basy kalach sy poleta ary bala an-jatony tao an-tranony. Marihina, fa toa mbola misy hifandraisany amin’ilay raharaha fahatrarana orinasa kely tsy ara-dalàna fanamboarana basy tao Anosimpatrana, tapa-bolana mahery kely teo izay. Nilaza ho havan’ilay rangahy tompon’io orinasa io mantsy ireo olona nahatrarana fitaovam-piadiana mahery vaika ireto.
m.L