- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikana basy : Olona telo saron’ny zandary niaraka tamin’ny basy saika hamidiny

Trafikana basy : Olona telo saron’ny zandary niaraka tamin’ny basy saika hamidiny

Basy poleta 7.65mm, tsy misy taratasy nokasaina hamidy no saron’ny zandary, teny amn’iny faritra Anosy iny ny alatsinainy lasa teo. Telolahy no sarona tao anatin’izany, ary nentina natao fanadihadiana teny amin’ny tobin’ny zandary tetsy Ankadilalana. Avy tamin’ny alalan’ny angom-baovao tonga teny am-pototsofin’ireo zandary misahana ny faritra eto Andrenivohitra no nahafantarana fa misy olona mikonokonona ny hivarotra basy poleta miaraka amin’ny bala dimy sy fitoeram-bala iray. « Natao ny vela-pandrika hisamborana azy ireo ka tratra teo Anosy ny lehilahy iray voalohany, 33 taona. Afaka nitsoaka kosa ilay lehilahy faharoa 34 taona ka nifanenjehana », araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary hatrany. Tsy lasa lavitra anefa ity nitsoaka ity dia voasambotra. Ireto farany ireto indray no nilaza ny loharano niavian’ilay basy, izay naman’izy ireo ihany, mipetraka eny Saropody Tanjombato. Olon-tsotra avokoa izy telo lahy ireto araka ny fanazavana nentin’ireo tompon’andraikitra, saingy kosa efa nandalo raharaha miaramila nandritry ny roa taona. Miparitaka ary maro amin’ireo olon-dratsy manafika amin’izao no saika mitondra basy avokoa. Eny fa na hatramin’ireo mpanendaka aza dia tsy vitan’ny zava-maranitra intsony no entin’izy ireo manao ny asa ratsiny fa mivimbina basy daholo ny ankabezany. Mipetraka araka ny fanontaniana, avy aiza marina ireny fitaovam-piadiana miparitaka ireny. Raha ity karazam-basy iray ity aloha dia nilaza ireo mpitandro filaminana fa isan’ireo karazana fampiasan’izy ireo. Marihana anefa fa efa tafiditra ao anatin’ny fitaovam-piadiana kilasy faharoa ary tena mahafaty ity basy poleta 7.65mm ity. Mbola manohy ny fanadihadiana amin’izay lafiny izay moa izy ireo, raha ny fanazavana azo, ary tsy mitsahatra ny manentana ny olona hatrany amin’ny fanomezam-baovao. Izy telolahy ireto kosa dia fantatra fa efa natolotra ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja vonjimaika, mandram-piandry ny fotoam-pitsarana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici