- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikana basy tany Toamasina : Vehivavy iray nandositra any La Réunion

Trafikana basy tany Toamasina : Vehivavy iray nandositra any La Réunion

Miboraka tsikelikely ny tsiambaratelo momba ilay trafikana basy marobe sarona tany Toamasina tamin’ny volana may teo. Ankoatra ilay vehivavy voalaza fa atidoha tamin’ity raharaha ity, fantatra izao fa misy olona telo hafa indray nosamborin’ny mpanao famotorana ary hatolotra ny Fampanoavana etsy Anosy anio. Etsy andaniny, vokatry ny famotorana hatrany, misy vehivavy iray hafa ihany koa, manambady vazaha voarohirohy amin’ity trafika ity. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa lasa nandositra any amin’ny nosy La Réunion izy io.

Tambazotra voalaza fa anisan’ny voarafitra tsara tokoa ity mpanafatra basy ity. Samy manana ny asany ireo olona rehetra manao izany. Misy mantsy ny mpanafatra fotsiny. Rehefa vita ny an’izy ireo dia misy ny mpampiditra ny fitaovam-piadina eny amin’ny seranana. Rehefa tonga ny entana dia ao koa ireo misahana manokana ny antontan-taratasy rehetra. Farany ao ireo miandraikitra ny fivarotana. Rehefa nivaha ny lela rehetra dia nisy ny vela-pandrika nataon’ny mpitandro filaminana tany amin’ny toerana handefasana ny basy. Tany Betroka no nanaovana izany. Olona telo no voasambotra. Tsy navela tany izy ireo noho ny halehiben’ny raharaha fa nentina avy hatrany aty an-drenivohitra. Tazonina eny Fiadanana ry zareo.

Ny loharanom-baovao ihany no nahafantarana fa mbola misy olona hafa karohina amin’ity trafika ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser