- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikana basy teny Atsimondrano : Olona efatra, nampidirina am-ponja

Trafikana basy teny Atsimondrano : Olona efatra, nampidirina am-ponja

Nahitam-bokany ny finiavan’ireo zandary avy amin’ny kaompania any Ambatondrazaka, niara-nisalahy tamin’ireo zandary tetsy Fiadanana tamin’ilay trafikana basy vita gasy teny Bongatsara, Atsimondrano, ny faran’ny herinandro teo. Fantatra, ary fa tafakatra efatra ireo olona voasambotra tamin’ity resaka ity, izay efa samy nampiakarina Fampanoavana avokoa sy nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa.

Tsiahivina fa avy amina fahatrarana kalach iray teny am-pelan-tanan’ny malaso ny 12 novambra lasa teo, tany Ambatondrazaka no niainga ny fanadihadiana lalina. Tamin’izany no nahalalàna ny loharano niavian’ity basy mahery vaika ity. Nanondro ireo malaso tratra tamin’io fotoana io fa taty Andrenivohitra ary tao Atsimotsimo tao no misy ireo mpamatsy azy. Ny fidinan’ireto zandary ireto teny an-toerana no nahasarona ny toerana iray, izay efa namboarin’ireto tontakely ireto ho toerana fanamboarana basy vita gasy. Tamin’io fotoana io, olona roa tompon-trano no avy hatrany dia nosamborina, niaraka tamin’ireo fitaovana maromaro, toy ny lasitra sy basy poleta maromaro vita gasy. Nitohy ny fanadihadiana ka nahapaingorana roalahy hafa. Fantatra tamin’izany fa tsy vitan’ny manamboatra basy vita, gasy ary manaparitaka izany amin’ireo jiolaahy fa mbola tompon’antoka amin’ny fampidirana basy vita vahiny tsy ara-dalàna ihany koa ry zalahy ireto. Manginy fotsiny, efa toeram-pivarotana fanta-dazan’ireo mpitana basy tsy ara-dalàna ihany koa ity toerana eny Bongatsara ity. Anisan’ireo mpivarotra piesina basy karazany rehetra mantsy ry zalahy ireto.

Fa mbola amin’izay resaka fiparitahana fitaovam-piadiana izay ihany, basy poleta karazana « Makarov » iray, niaraka tamina bala valo teo, no hitan’ny fokonolona, nisy nanary teo akaikina tambohon’olona iray, teny Tsarahonenana, ambanin’Ankatso iny ny alahady maraina lasa teo. Mety hisy ifandraisany amin’ity toerana fanaparitahana basy sarona teny Bongatsara ity ve ? Ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana angamba no afaka mampitohy ireo raharaha roa ireo. Raha ny mikasika iry voalohany aloha ,dia fantatra, mbola mitohy ny fanadihadiana ary misy olona maromaro, mbola karohina raha ny fanazavana azo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici