- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikana basy : Vehivavy iray karohina, misy olona ambony ao ambadika

Trafikana basy : Vehivavy iray karohina, misy olona ambony ao ambadika

Misokatra ny fanadihadiana ary manantena ny mpitandro filaminana fa hahitana vokany izany amin’ity faran’ny herianandro ity.

Roa andro taorian’ny nahatratrarana ireo basy sy bala marobe tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ka samy mandray anjara na ny polisy na ny zandary any an-toerana. Fantatra izao fa vehivavy iray no karohina fatratra momba an’ity trafika ity. Eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana mantsy ireo antontan-taratasy rehetra momba ny fanafarana entana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa monina aty an-drenivohitra izy io. Ampahana vaovao ihany koa no nahalalana fa toa hoe misy olona ambony ao ambadik’izao trafikana basy izao. Ny fanadihadiana no tsy maintsy hahalalana izay tena marina. Hatramin’izao aloha, tsy mbola nisy ny olona nosamborina.

Raha ny taratasy mikasika ilay kaontenera nahitana ireo basy dia voalaza fa lamba no ao. Rehefa nandeha anefa ny fisavana dia basim-boraona Baïkal maherin’ny 600 sy bala 4473 calibre 12 sy 16 no tao anatiny. Avy any Belgique no niainga ny entana, efa ho tapa-bolana izay. Ny mahavariana dia ny naha-tafiditra an’io vatabe io mora foana tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, izay efa manana fitaovana raitra amin’ny fitiliana izay ao anaty kaontenera.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser