- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikana fitaovam-piadiana : Basy 61 tratra, zandary roa naiditra am-ponja

Trafikana fitaovam-piadiana : Basy 61 tratra, zandary roa naiditra am-ponja

Manoloana ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika, eny an-tànan’ireo jiolahy, dia nisy ny hetsika araka ny baiko azon’ny zandarimariam-pirenena, tato anatin’ny volana vitsivitsy izay. Namokatra tokoa ireo hetsika io satria basy  61 no sarona, niaraka tamin’ny bala maro vita gasy sy nafarana, tany Fianarantsoa, Ankazobe ary Antananarivo, naseho tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Araka ny fantatra dia nisy tamin’ireo basy ireo no azo teny an-tanan’ireo malaso, nisy kosa ny vokatry ny trafikana fitaovam-piadiana tsotr’izao. Toy izay niseho tany amin’iny faritr’ Ambositra iny. Mpivady iray no voasambotra teo am-pivarotana kalaky telo. Araka ny fanazavana, dia amidin’izy ireo telo tapitrisa ariary ny iray tamin’ireo basy mahery vaika ireo. Fa eo ihany koa ny fisian’ireo olona mitazona basy tsy ara-dalàna amin’ny alàlan’ny taratasim-basy sandoka. Raha tamin’ity resaka farany ity, dia basim-borona  23 no sarona ary « fusil à pompe » roa. Olona valo kosa no nosamborina amin’ireo resaka fanaovana taratasim-basy hosoka ireo, roa amin’izy ireo no zandary miasa eny anivon’ny distrika ary efa natolotra ny fitsarana. Olona dimy nahazo fahafahana vonjimaika, izay isan’ny nahagaga ihany, raha ny tafadoboka any am-ponja ny ambiny. Mbola maro izy ireo any amin’iny faritra Fianarantsoa iny araka ny fanazavana azo hatrany. Raha atotaly dia  teo amin’ny 39 teo no basy sarona tany amin’iny faritra iny. Raha ny teto an-drenivohitra indray, tany amin’iny faritr’ Ankazobe iny, basy nahatratra  22 no sarona, izay saika teny an-tanan’ireo dahalo sy jiolahy. Ny ankabeazan’izy ireo dia saika basy vita gasy avokoa, na kalaky io na P.A. Fa teo ihany koa ny bala marobe, niaraka tamin’ny ody gasy fampiasan’ireo jiolahy. Araka ny fanazavana azo  hatreto, mbola eo an-dalana fanaovana fanadihadiana mihitsy ireo mpitandro filaminana ny mikasika ny loharano niavin’ireo fitaovam-piadiana ireo. Tranga izay toa mbola manjavozavo hatrany ary mbola ezaka miandry ireo mpitandro filaminana. Ny irariana fotsiny ny tsy hisian’ny fanarontsaronana ny raharaha …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser