- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikana “héroïne” sy “cocaine” : Afrikanina telo sy vehivavy malagasy nahatratrarana «...

Trafikana “héroïne” sy “cocaine” : Afrikanina telo sy vehivavy malagasy nahatratrarana « héroïne » 12 grama

jiolahyAmidy 80 000 arairy ny iray grama amin’ny héroïne. Nahazo vaovao ny polisy misahana ny ady amin’ny fihanaky ny zava-mahadomelina fa misy teratany afrikana iray manao trafikana « héroïne » sy « cocaïne » eny amin’ny faritra Ambodivona iny. Avy hatrany dia natao ny fanaraha-maso an’ity lehilahy ity. Izany Fadhin izany no anarany ary 42 taona izy. Tamin’ny alarobia teo dia narahina akaiky ny zavatra nataony. Tokony ho tany amin’ny 5 ora hariva, nandeha teny amin’ny faritry ny 67 Ha ity olona ity. Tsy fantatra na efa nifamotoana tamina teratany afrikana roa hafa izy na tsia. Nifanatona izy ireo ary nifampiresaka elaela teo. Nisy vehivavy malagasy iray niaraka tamin’izy ireo. Tsikaritr’ireo polisy nanaraka an’ilay lehilahy fa toa nifanome zavatra izy ireo. Avy hatrany dia natao ny fisamborana an’ireo olona efatra ireo. Raikitra ny fisavana ka tamin’izany no nahitana “heroine” milanja 12 grama tany amin’ilay antsoina hoe Fadhin.Tamin’ny famotorana natao azy dia nilaza izy fa manao an’io trafika io tokoa. Tany Tanzanie no nangalany an’ireo zava-mahadomelina ireo ary amidy aty Madagasikara.  80 000 ariary no hivarotany ny iray grama. Nilaza koa izy fa Maorisianina sy Afrikana no tena mpividy an’ity rongony mahery ity. Rehefa nohadihadiana kosa ireo namany dia nilaza fa tsy mahafantatra an’i Fadhin, nefa ny mpitandro ny filaminana nahita azy ireo nifampitakosina. Ilay vehivavy gasy no mpampiantrano an’i Fadhin eny Itaosy.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireto olona ireto.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser