- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikana rongony : Lehilahy iray indray tratra tetsy Ilanivato

Trafikana rongony : Lehilahy iray indray tratra tetsy Ilanivato

Rongony avy any amin’iny faritra Tsinjoarivo iny no voalaza fa haparitak’ity lehilahy iray voasambotry ny pôlisy tetsy Ilanivato ity, ny herinandro teo, eto an-dRenivohitra. Nisesisesy tokoa tato ho ato izay ny fisamborana ireo fanetriben’ny firenena, mpivarotra na mpibizina rongony voasambotr’ireo mpitandro filaminana, na tany amin’ny faritra na ny teto an-dRenivohitra. Taorian’ilay hetsika nataon’ny polisy teny amin’iny faritra Antaninarenina iny tokoa ka nahasamborana ireo olona mpanaparitaka rongony mahery vaika, dia mbola nitohy ihany izay ezaka, ady atao amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izay. Lehilahy iray, manodidina ny 55 taona indray mantsy no voasambotry ny pôlisy ihany koa, teny amin’iny faritra Ilanivato iny. Efa fantatry ny rehetra sy rain-dahiny amin’ny fivarotana rongony ity lehilahy ity. Tonga teny am-poto-tsofin’ny mpitandro filaminana izany ka nidina ifotony teny izy ireo. Natao ny vela-pandrika tamin’ny alàlan’ireo pôlisy manao fanamiana sivily, ka tra-tehaka teo ny lehilahy. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy fa ny alatsinainy lasa teo izy no tonga teto an-dRenivohitra, nitondra ireo rongony iray “sachet”. Novidiny telo alina ariary tany Tsinjoarivo ny «entana » ary nokasaina hamidy dimy arivo sy dimy alina ariary teto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici