- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikana rongony : Mirongatra tanteraka, mandray anjara ihany vehivavy

Trafikana rongony : Mirongatra tanteraka, mandray anjara ihany vehivavy

Ny alakamisy lasa teo, tao Mahajanga, vehivavy miisa 3 no tratehaky ny polisim-pirenena niaraka tamin’ny rongony sivy fonosana. Manodidina ny dimy kilao eo ny fitambaran’izany rongony izany satria milanja eo amin’ny 500 grama eo ny fonosana iray. Avy hatrany dia nentina natao famotorana izy telo mirahavavy ary fantatra fa ny roa mitady olona hividy rongony ary ny iray kosa mpivarotra mihitsy. Ny Polisy misahana ny zava-mahadomelina ao Mahajanga moa no naharay fitarainana maro avy amin’ny mponina ka rehefa nidina teny an-toerana izy dia tratra tokoa ny mpanao ratsy.

Ankoatra izay, dia mbola nisy koa tranga hafa tao Ihosy. Rongony roa kitapo sy roa harona plastika efa vonona ho amidy mantsy no tratehaky ny mpitandro filaminana tao antranona lehilahy iray ny alakamisy lasa teo. Miparitaka tokoa ny rongony any an-toerana ka nanao fitarainana tany amin’ny polisy ny mponina  ny farany. Ireo mponina ireo ihany no nahalala ny fisian’io rangahy io ka nanoro ny misy azy ny mpitandro filaminana.  « Ralava somitra » ny anaram-bositra hiantsoan’olona ity lehilahy ity ary voamarina tanatin’ny famotorana natao taminy fa anisan’ny mpamatsy zava-mahadomelina ao amin’ny faritra Ihosy ny tenany. Nisy olona efatra hafa koa mpiara-miombon’antoka tratra niaraka taminy.  Fantatra ary fa i « Ralava somitra » no mamoaka ambongadiny ireo rongony ary ireto efatra farany kosa no mivarotra azy an-tsinjarany. Efa eo am-pelatanan’ny polisy avokoa ireo raharaha ireo ary efa miroso amin’ny fanadihadihaana lalina izy ireo. Hatreto dia fantatra fa atao andri-maso ao amin’ny polisy avokoa ireo tompon’antoka amina trafikana rongony ireo.

Voarisoa Davidson

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici