- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversTrafikana taova : Tovolahy iray tra-tehaka saika hamono sy haka voamason-jaza

Trafikana taova : Tovolahy iray tra-tehaka saika hamono sy haka voamason-jaza

Tranga niseho tany amin’iny distrikan’i Betioky Atsimo iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Tovolahy iray 17 taona no voasambotry ny fokonolona ary natolotra ny zandary tao amin’ny kaominina Bezaha. Ity farany izay voarohirohy tamin’ny resaka fikasàna hamono ankizilahy kely 12 taona sy nikasa haka ny taovany. Araka ny fanazavany tamin’ireo mpanao fanadihadiana dia mpandraharaha mpitrandraka safira iray any an-toerana no naniraka azy, haka an-keriny zazalahy kely iray ary haka ny voamasony. Mazava ho azy fa misy tambiny izany saingy tsy mbola nandray izany moa ity farany raha tsy vita izay iraka nampanaovina azy, araka ny fanazavana azo hatrany. Tao amin’ny fokontany Magnalobe no nitrangan’ity tranga mampivarahontsana ity. Mpinamana ihany izy roalahy ireto, na ilay saika hamono na ilay niharan’ny vono. Tamin’io fotoana io dia nasain’iry voalohany hiara-hilalao any alavitry ny tanana ity farany. Nony tonga tany dia novonoin’ilay tovolahy 17 taona ity namany, ary notsindrominy avy hatrany tamin’ny hety maranitra izay efa nomaniny tany aminy tany. Niletra teo amin’ny kibony ilay zava-maranitra saingy tafatsoaka niantso vonjy tany an-tanana ihany ity farany, na dia teo aza ny rà nandriaka. Novonjena avy hatrany tany amin’ny tobim-pahasalamana moa ity naratra ity ary nampandrenesina ny zandary. Nisy avy hatrany ny fikarohana ilay nahavanon-doza. Tra-tehak’ireo andrimasom-pokonolona tany Besakoa, kaominina Bezaha moa ity tovolahy ity ary nomena ny zandary hatao famotorana taorian’izay. Mbola mitohy araka izany ny famotorana mahakasika ity raharaha ity any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici