- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikana zava-mahadomelina : Mpijirika roalahy tratra niaraka tamin’ny rongony 180 kilao

Trafikana zava-mahadomelina : Mpijirika roalahy tratra niaraka tamin’ny rongony 180 kilao

Notehirizin’ireo olon-dratsy tao anaty gony 16 ny rongony maina efa voavoatra mitotaly teo amin’ny 180 kilao teo ho eo. Saron’ny zandary anefa izany ny voalohandohan’ny herinandro teo tao Vohémar.

Araka ny fampitam-baovao azo dia nandritra ny hetsika fampandrian-tany nataon’ireo mpitandro filaminana tany amin’iny faritra Sava iny no nahatrarana mpijirika roalahy hafahafa fihetsika sy nilonjehitra gony maromaro, tao Ankarongana, fokontany Ambohibada, kaominina Bobakindro, distrik’i Vohémar. Nosakanana avy hatrany izy ireo ary nosavain’ireo zandary ireo gony maromaro nentin’izy ireo. Hita tamin’izany tokoa fa rongony efa maina sy efa vita homana, voakapa sy tsara fatotra ary vonona  ny haondrana aman-jatony kilao no tao anatiny. Nogiazana avy hatrany ireto zava-mahadomelina ireto ary nentina nofotorina izy roalahy. Tamin’izany, araka ny vaovao azo hatrany no nahafantarana fa an’izany Georges izany ireto entana ireto. Ity farany, izay efa mpisera sy mpanao trafikana rongony any amin’iny faritra iny, raha ny fanazavàna azo avy amin’ny zandary hatrany. Fantatra fa nilefa talohan’ny fotoana nisavàna ireto namany ity lehilahy ity ary efa manao ny fikarohana sy hazalambo ity fanetriben’ny firenena ity ireo zandary any an-toerana. « Natao andrimaso ireo roalahy voasambotra mialoha ny hanaterana azy eo anoloan’ny Fampanoavana. Nodorana teo imason’ny manampahefana sy ny fokonolona ireo rongony sarona. » hoy ny vaovao. Marihana fa  « ezaka fisorohana ny trangana tsy fandriam-pahalemana tokoa izao, satria raha tsy voasakana dia mety nitera-doza indray teo amin’ny fiarahamonina. Ny asan-jiolahy matetika dia miainga amin’ny fidorohana zava-mahadomelina toa ny rongony. Anterina hatrany fa voarara sy mahavoasazy antranomaizina ny mamboly, mitahiry, mitondra, mivarotra sy midoroka rongony ary ny manome vahana ny asan-javamahadomelina izay mampirongatra ny asan-jiolahy »

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici