Efa andian-jiolahy tanteraka miaraka amin’ny basy sy fitaovam-piadiana isan-karazany mihitsy amin’izao ireo mpanao trafikana rongony. Tany amin’iny faritra Ilalaka iny, dia nifandona tamin’ireo zandary tany an-toerana izy ireo. Soa ihany,fa efa za-draharaha ireo mpitandro filaminana ka resy tosika ireo olon-dratsy, nahazoana vokatra aman-jatony kilao io.
Mivoatra ary miova tsy toy ireny tambazotran-jiolahy anaty horonantsary ireny mihitsy ireo mpanao trafikan-drongony eto amintsika. Miaraka amin’ny basy sy fitaovam-piadiana isan-karazany. Volabe tokoa mantsy no lalaovina ao anatin’izany, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny hoe tombanana ho an-tapitrisany maromaro any ho any ny teti-bidin’ireto « entana » saron’ny zandary tany Ilakaka ireto.
Ny zava-nisy : ny alin’ny sabotsy lasa teo dia naharay vaovao ireo zandary ao amin’ny tobim-paritra Ilakaka,fa misy olona maromaro milanja gony feno rongony avy ny Betroka, mikasa ny hiampita ny reniranon’i Lagnagna ka hiankandrefana tao Andranomena Ilakaka. Inoana marimarina, fa mety ho efa hisy mpandray izany entana izany ary angamba kasaina halefa hiakatra aty an-dRenivohitra. Tsy nihambahamba fa avy hatrany dia nidina avy hatrany tamin’ilay toerana voalaza ireo mpitandro filaminana hitsirika ny zava-nisy. Tamin’ny fidinan’izy ireo teny an-toerana tokoa, dia efa indreo eo ireo andian-jiolahy mitaona ireo gony maromaro. Vantany vao nahatazana iretsy zandary kosa ireto farany, avy hatrany dia nampiasa ireo fitaovam-piadiana teny am-pelan-tanany. Raikitra ny tifitra variraraka. Voatery namaly ihany koa tetsy an-danin’izay ireo zandary. Hany ka nanakoako, nandrovitra ny alina ny feom-basy nifamaly teny amoron’ny reniranon’i Lagnagna. Raha ny fampitam-baovao hatrany, dia nisy jiolahy iray voatifitr’ireo zandary ka voa teo amin’ny tongony. Rehefa nahita izany iretsy namany, dia vaky nandositra namela ity farany irery teo niaraka tamin’ireo gony am-polony maro. Nentina nogiazana avy hatrany moa ireto farany, izay mitotaly eo amin’ny 245 kilao teo. Ilay jiolahy voatifitra kosa, dia efa nentina nosamborina, notsaboina ary nentina natao andrimaso sy famotorana. « Rehefa natao ny famotorana ny jiolahy voasambotra, dia nanoro ireo lehibeny sy ireo iray tsikombakomba ary ny mpandray ireo rongony. Ho hentitra ny fandraisana fepetra araky ny lalàna velona ho hampiharina mba hamongorana ny asa ratsy amin’ny zava-mahadomelina izay manimba ny fiarahamonina sy mampitombo ny tsi-fandriampahalemana »
Fa ankoatr’izay, dia fantatra ihany koa fa lehilahy iray mipetraka amina tranom-piangonana iray ao Mahajanga Antanimasaja no voasambotry ny zandary, raha nikasa hitondra rongony 35 kilao tamin’ny alàlan’ny môtô, avy any Boriziny, faritra Sofia, ho any Marovoay faritra Boeny. Ireo zandary nanao fisafoana teo amin’ny barrage Ankorovaka Boriziny moa no nahasambotra ity lehilahy ity. Nogiazana ireo zava-mahadomelina ary nentina natao fanadihadiana kosa ilay nitondra azy.
m.L