- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikana zava-mahadomelina : Rongony maherin’ny 500 kilao no saron’ny zandary

Trafikana zava-mahadomelina : Rongony maherin’ny 500 kilao no saron’ny zandary

Tamina faritra telo samy hafa teo amintsika : Sava, Diana ary Ihorombe no nahazoan’ireo zandary vokatra amin’ny  ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Rongony manodidina ny diman-jato kilao any ho any no tra-tehaky ny zandary, ny herinandro lasa teo.

Tao amin’ny distrikan’i Vohemar ny voalohany, rongony  22 kitapo, mitotaly any amin’ny 286 kg any no saron’ny zandary tao Andravinambo, kaominina Antsirabe Avaratra, ny zoma lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo, dia saika haparitaka tany amin’iny faritra iny ireto zava-mahadomelina ireto no izao saron’ny zandary izao, noho ny fanomezam-baovao azon’izy ireo. Olona roa no voasambotra tamin’izany; izay fantatra fa tompon’ny entana. Ny faharoa, ny alahady teo, dia rongony  12 kg eo indray no sarona tao anaty taxi-brousse nandritra ny fisavana nataon’ireo zandary avy ao amin’ny Tobim-paritry ny zandary ao Antsohihy. Araka ny fanazavana azo, dia olon-dratsy efa mpanaparitaka zava-mahadomelina any amin’iny faritra iny no voasambotra niaraka tamin’ireto rongony ireto. Avy any Port Bergé ingahirainy ary nikasa ny handeha ho any Antsohihy. Teo  Ankerika, 12 kilaometatra  hiditra ny tanàna  izy sy ny rongoniny no izao tra-tehaka izao. Ny farany, vao ny alatsinainy teo, dia jiolahy 11mitam-basy   no nifanehitra tamin’ny zandary tao Sakoabe, fokontany Tritriva kaominina Soamatasy, distrika Ihosy. Nilavo lefona avy hatrany moa ireto farany teo anatrehan’ireo zandary. Tratra teny amin’izy ireo ny kitapo 20  samy feno rongony avokoa. Mitotaly any amin’ny 200 kg any ho any ny lanjan’ireto zava-mahadomelina ireto sarona ireto. Ambonin’izay, dia mbola nahitana basy sy fitaovam-piadiana hafa tany amin’izy ireo, toy ny basim-borona sy ny basy poleta vita gasy ary ody gasy maromaro. Efa nogiazana sy nodorona avokoa reto rongony aman-jatony kilao sarona ireto. Eo am-panaovana famotorana azy ireo kosa ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Marihana, fa isan’ny fitaovana iray fampiasan’ireo dahalo, rehefa manao ny asa ratsiny ny fandraisana rongony, izay, amin’ny maha-zava-madomelina azy dia mandrisika azy ireo tsy hanan-tahotra sy fihetseham-po intsony amin’ny fanafihana ataony. Manginy fotsiny ny vola mihodina ao anatin’ny fanaparitahana izany. « Ny zandarimaria dia tsy mitsahatra ny manentana ny vahoaka mba tsy hisalasala hanome na hampandre haingana raha misy trangan-javatra manohintohina ny filaminana » hoy ny fampitam-baovao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici