- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTrakta mampihorohoro niparitaka : Tranon-kisoa nirehitra nampisahotaka ny mponina teny Ambohimalaza

Trakta mampihorohoro niparitaka : Tranon-kisoa nirehitra nampisahotaka ny mponina teny Ambohimalaza

Ny herinandro lasa teo no nisiana trakta niparitaka tamina fokontany maromaro teny amin’iny faritra Ambohimalaza sy Ambohimangakely iny. Trakta izay nilaza fa ho avy ireo jiolahy hanafika ny tananan’izy ireo. Na dia teo aza anefa ny fiezahana nampitony ny mponina nataon’ireo tomponandraikitry ny filaminana teny an-toerana dia tsy niala teny amin’ireo mponina ny fahatahorana. Hany ka na zavatra kely monja aza dia nampisahotaka azy ireo tanteraka. Toy ny  nitranga tao amina fokontany iray, izay mampisaraka ny faritra Ambohimalaza sy Ambohimangakely ny alin’ny alahady lasa teo. Nisy olon-dratsy nikasa hangalatra kisoa mantsy teny an-toerana, raha ny fanazavàna azo. Tsy nahazo izay zavatra nilainy anefa ireto olon-dratsy ka hany herin’izy ireo dia nodorany ny tranon-kisoa. Nisoamaritaka araka izany ireo mponina raha nahatsikaritra izany fa noheverina tokoa fa ireo jiolahy nanaparitaka trakta tokoa no tonga nanafika ilay tanana. Raikitra ny antso vonjy. Nandray an-tanana ny raharaha ary tonga avy hatrany teny an-toerana ireo zandary avy etsy Ambohimangakely sy Ambohimalaza, namaly ny antso vonjin’ireto mponina. Tamin’io no fantatra fa tranon-kisoa ilay nirehitra, fa tsy fanafihan-jiolahy velively. Noezahina novonoina haingana moa ilay afo ary niverina tamin’ny laonina ny filaminana teny an-toerana taorian’izay.

Eto dia manentana hatrany ireo mponina ireo tomponandraikitry ny filaminana, mba tsy ho mora handairan’ny tsaho. Na izany na tsy izany, hoy ny lehiben’ny borigady ao Ambohimangakely, dia efa nisy paik’ady matotra noraisin’izy ireo manoloana ity resaka trakta ity. Anisan’izany ny fanamafisana ny fiambenana amin’ireo fokontany niparitahan’ izany taratasy mampihorohoro izany, ary ny fisafoana isan’alina, ataon’ny zandary avy ao Ambohimangakely sy ny Ambohimalaza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici