Sarika am-pandriana avy hatrany no nataon’ny mpitandro filaminana an’ireto ankizilahy kely miisa fito tao amin’ny fokontany Fiakarana, kaominina Ambohitrimanjaka, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Voarohirohy noho ny resaka fanolanana faobe, nihatra tamin’ny ankizivavy iray teny an-toerana moa izy ireto. Mandà tanteraka izany anefa ireo mponina, izay mihevitra fa fanendrikendrehana fotsiny ihany izany. Nivory teo amin’ny tokotanin’ny fokontany izy ireo omaly nilaza ny alahelony. « Disadisam-piarahamonina no niatombohan’ity tranga ity ary nihevitra izahay, tompon’andraikitra voalohany tety amin’ny fokontany fa nijanona tamin’ny fandravonana sy ny fifampiraharahana teto aminay ny raharaha, kanjo izao lasa lavitra izao niafara tamin’ny fakàn’ireo mpitandro filaminana ireto ankizikely ireto », hoy ny fanazavana nomen’Atoa Ramahatrasoa Louis Pierre, Sefo fokontany Fiakarana Ambohitrimanjaka. Ny zava-nisy tokoa araka ny fitantaran’ny iray tamin’ireo mponina dia nisy ny fifandirana teo amin’ny samy mpanofa tamin’ny trano iray teny amin’iny faritra iny. Tonga hatramin’ny fandrahonana ny rehetra, eny hatramin’ny tompon-trano mihitsy, aza izany, avy tamin’ny renim-pianakaviana iray, izay manan-janaka vavikely iray. Taty aoriana, nilaza ity ramatoa ity fa voaolana ilay zanany vavy kely, manodidina ny enin-taona eo. Ary zanak’ireo mpiara-manofa trano aminy, niaraka tamin’ny zanaky ny tompon-trano no nambarany ho nahavita izany. Ankizilahy kely miisa fito izay 12 taona ny zokiny indrindra. Tsy nijanona teo ny raharaha fa hatairana ny an’ny rehetra rehefa nahita mpitandro filaminana tonga vao maraim-be nisambotra ireto ankizy ireto ary nitondra azy ireo hatao fanadihadiana. Nilaza ny alahelony avy hatrany ny fianakaviana sy ireo mponina teo anatrehan’ny zava-nisy ary nitaky ny mba hamerenana ireo zaza ireo, izay raha ny feo mandeha dia toa hoe efa nalefa eny amin’ny zaza maditra. « Tsy nanao izany izy ireo fa endrikendrika izany aminay », hoy ny zokin’ireto ankizy ireto, nampian’ireo fokonolona nijoro vavolombelona. « Ankizy sahirana izy ireo ary matetika dia tsy hita an-tanàna noho ny fitadiavana. Ambonin’izay, voalaza fa andro antoandro be nanahary no nanaovan’izy ireo izany tamin’ny toerana izay tsy maintsy misy olona mandalo foana ». Nanizingizina mihitsy moa izy ireo fa tsy nahavita izany ireto ankizy ireo fa endrikendrika no nahazo azy. Araka izany dia mitaky ny marina ireto fokonolona ireto fa indrindra ny famerenana ireo zaza nalain’ny mpitandro filaminana ary mangataka ny tompon’andraikitra mahefa mba hijery akaiky ny raharaha. Marihana, araka ny fanadihadiana nataonay teny an-toerana, fa ity renim-pianakaviana nanana ilay zaza voaolana ity dia voalazan’ireo mponina fa « mpanakorontana fiaraha-monina eny an-toerana » ary nisy ny fitairanana mahakasika izany na eny anivon’ny fokontany na eny anivon’ny mpitandro filaminana misahana iny faritra iny. Niezaka nandeha tany an-tranon’ity farany moa izahay, hitadiavana ny fanazavàny saingy tsy tratra tao an-toerana io renim-pianakaviana io. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha.
m.L