- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTranga hafahafa eto Toamasina : Asa famonoan’olona tsotra sa asan-devoly ?

Tranga hafahafa eto Toamasina : Asa famonoan’olona tsotra sa asan-devoly ?

Raha ny fanazavana azo amin’izao fotoana izao dia misy tovolahy 19 taona iray voasambotry ny mpitandro ny filaminana, ka efa natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Toamasina, ary efa nahiditra am-ponja vonjy maika. Ny antony raha ny fanazavana voaray dia noho izy ity namono olona izay tsy iza fa ny zandriny 17 taona tamin’ny fomba feno habibiana. Teo no nihitatra ny fanadiadiana natao tamin’ity tovolahy ity araka ny fanazavana hatrany, ka nandritra izay no nahalalalana fa misy izany andian’olona miantso tanora 15 taona hatramin’ny 18 taona izany eto Toamasina sy ny manodidina, ny asa ataon’izy ireo amin’izany dia hamono ny iray tampo aminy sy ny ray aman-dreniny fotsiny. Voalaza ny vaovao hatrany fa omena 3 miliara, tsy hay na “francs” na “ariary” izany, aorian’ny fahavitana ny iraka ampanaovina azy ireo. Raha ity tovolahy efa miandry fitsarana am-ponja ity noho ny vono olona nataony tafiditra tamin’izao raharaha izao ity, dia teny amoron-dranomasina no nifanenany tamin’ireo andian’olona naniraka azy nanao izany, nefa mbola mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina taona famaranana ity tovolahy ity. Nomen’ilay ramatoa ranom-boakazo sy dite ilay tovolahy nandritra izany, ka taorian’izay dia tsy nisy tsaroany intsony ny zavatra rehetra nataony afa-tsy ny baiko azony ihany.  Eo no mipetraka ny fanontaniana hoe “asa na devoly…, sa asan-jiolahy tsotra ny zava-misy…?”, satria raha ny fanazavana hatrany dia miasa amin’ny toerana telo amin’ny lalam-pirenena faharoa iny ireo olona voajona amin’izao zava-doza izao araka ny fampitam-baovao hatrany. Efa miditra akaiky ao anatin’izao raharaha izao koa ny vondrom-piangonana samy hafa amin’ny fanadihadiana ny zava-misy sy ny zava-mitranga. Misy koa mantsy ny vaovao voarain’izy ireo fa tsy ny lehilahy ihany no raisina amin’izany, fa hatramin’ireo vehivavy “virijiny” ihany koa mba ahafahana mangalatra taova samy hafa aminy. Tena zava-doza ny zava-misy izao ity raha tena marina ireo voalazan’ny vavolombelona efa miandry fitsarana am-ponja ity, ka manao antso avo amin’izao zava-misy iainan’ny vahoaka izao ny vondrom-piangonana samy hafa sy ny mpitandro ny filaminana. Satria ny taranaka sy ny ho avin’ny Malagasy mihitsy no simba raha izao zava-misy izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici