- Publicité -
mercredi, février 4, 2026
AccueilFaits-DiversTrangam-piaraha-monina teto Toamasina : Fivarotana kely iray nidirana telo lahy nirongo antsy...

Trangam-piaraha-monina teto Toamasina : Fivarotana kely iray nidirana telo lahy nirongo antsy be

Tena sahy mihintsy ireto jiolahy nanafika ity fivarotana madinika ity, nefa vehivavy tokana no tao an-trano nandritra izany. Tao Tanamakoa 12/14 no nitranga izany tamin’ny alina tokony tamin’ny iray ora maraina tany ho any, nihevitra ireto jiolahy fa mbola ny jiro nandritra izany. Naheno olona nikorontana sy niantso vonjy tao anatin’ilay fivarotana ireo tovolahy manodidina, ka nivoaka ilay tovolahy iray iray fefy aminy. Vao nivoaka anefa ity tovolahy ity dia tratra ny fandrahonan’ireo jiolahy roa niandry tety ivelany, ka niverina niditra ny trano raha tsy izany nilaza ireto jiolahy fa tena hamono tokoa azy. Namaly ilay tovovavy tao anatin’ilay tsena ka natorany ireto jiolahy avokoa ireo zavatra hitany rehetra hatramin’ny vatona “balance” fampiasany mivarotra. Tsy nahatohitra azy ireto jiolahy nanafika azy efa nisy koa ireo vahoaka tetny ivelany nitsoaka kiririoka, ka nitsoaka ireo andian-jiolahy telolahy ireto ny farany. Naratra ilay vehivavy tao amin’ilay fivarotana madinika, satria nodarohan’ireo andian-jiolahy tamin’ny “barre à pince”; raha lasa ireto jiolahy nitsoaka dia nentina teny amin’ny hopitaly manarampenitra Morafeno mba ho tsaboana ilay ramatoa naratra. Nilaza ireo mponina manodidina fa tsy fahita ao amin’ny fokontany misy azy ireo ny vaky trano, nefa tamin’ity dia miambina olona mananotona ny roa ary ny iray manao ny halatra tao an-trano. Mitaky ny hisian’ny vavahady ngeza be iray miditra ny fokonany ny mponina, ary asiana mpiambina izany hisorohana toe-javatra tahaka izao intsony. Tsy nisy tratra moa ireto jiolahy telo ireto, na efa nivoaka nanenjika azy avokoa ireo tovolahy manodidina rehetra tao amin’ny fokontany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter