- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversTrangana fakana an-keriny tao Toamasina : Tafakatra 20 ireo nadoboka any am-ponja

Trangana fakana an-keriny tao Toamasina : Tafakatra 20 ireo nadoboka any am-ponja

Isan’ny tranga nanamarika ny resaka tsy filaminana tao Toamasina ny trangana fakana an-keriny, iray amin’ireny ny momba  i Owen Alek. Hatramin’izao mbola tsy hita, na maty na velona, na dia efa nanaovan’ny fianakaviany fikarohana sy nanaovan’ny mpitandro ny filaminana hetsika manokana efa ho roa taona aza izao. Efa hiditra amin’ny faha-2 volany kosa ny tsy nahitana an’i Arnaud.

Tranga roa tsy tanteraka. Raha teo ireo trangana fakana an-keriny tanteraka ireo dia fantatra izao, araka ny angom-baovao natao, fa nisy tranga fakana an-keriny tsy tanteraka ihany koa tamin’iny taona nivalona iny. Teo ny zafikelin’ity mpandraharaha isan’ny nalaza tao Sava, izay olona niasa tao aminy ihany no nikasa hanao izany niaraka tamin’ireo namany. Soa ihany fa heno mialoha ny fikasana ka tsy tontosa izany, ary tonga tamin’ny fandroahana ity mpiasa ity. Ny tranga faharoa tsy tanteraka ihany koa ny fiandohan’ny volana desambra dia ny fikasan’ny andian’olona haka an-keriny ny zanak’ity mpandraharaha ara-pitaterana isan’ny malaza ao Toamasina. Re mialoha ihany koa ny fikasan’ireo andian-jiolahy ka nandraisan’ity teratany metisy sinoa fepetra ny nandefa ny vady aman-janany any ivelany.

Tsy mbola nisy nahazo “LP”. Mbola ireo 20 mianadahy tamin’ireo 70 nanaovana fanadiadiana no mbola miandry fitsarana am-ponja hatramin’izao, ao anatin’ny raharaha fihazonana an-keriny an’i Arnaud sy famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’i Annie kely. Nanomboka  tamin’iny herinandro nivalona iny dia niditra tsirairay tamin’ny famotorana eo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana fanindroany izy ireo. Raha ny fanazavana dia aorian’izao famotorana eo anivon’ny mpitsarana mpanao famotorana fanindroany izao vao ho afaka hangataka famotsorana vonjimaika, “L.P”, ireo 20 voarohirohy miandry fitsarana any am-ponja ireo. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy ny nahazo io famotsorana vonjimaika io, ary tsy fantatra ihany koa, noho ny tsiambaratelon’ny famotorana ny raharaha, ireo efa nanao io fangatahana fahafahana vonjimaika io, na dia zon’ireo voarohirohy ireo aza ny mangataka izany.

Raha mikasika ny raharaha Arnaud dia mbola vinavina amin’ny mety misy azy no re etsy sy eroa, sy amin’ireo misahana ny fanadiadiana ny raharaha. Hatreto aloha dia tsy mbola hita ity tovolahy ity, ary mbola tsy namotsotra azy ireo mpaka an-keriny, na efa nandefa someso tamin’ny reniny aza ireo jiolahy ireo fa nanana fikasana hanao izany, saingy handringana ny fianakaviany sy ny Gsis ho tambiny…

Malala Didier/ D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici