Araka ny nambaran’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny trano fandraisam-bahiny tao Mahanoro, dia navorin’ny lehiben’ny distrika izy ireo ny 15 janoary, izany hoe mialohan’ny fahatongavan’ireo vahiny amboly zanakazo tao Mahanoro. Tamin’izany no nilazan’ity lehiben’ny distrika ity fa “handray vahiny maro isika eto Mahanoro, ka mety tsy aharaka ny efitrano andraisana azy ireo. Noho izany dia tsy afaka mandray vahiny ny rehetra fa avy eny amin’ny distrika no mitsinjara ny olona mila trano isak’ireo trano fandraisam-bahiny”. Ny hotel VIP manokana dia efa voafaritra ny hapetraka ao aminy ireo delegasionina avy amin’ny filoham-pirenena sy ireo minisitra. Nomarihan’ny lehiben’ny distrika anefa fa ireo vahiny ihany no mandoa ny fivaniany tamin’ireo efitrano nipetrahany. Na izany aza nilaza ireo mpandraharaha ara-trano fandraisam-bahiny ireo fa natao “requisition” izahay, ka raha tsy vahiny avy any Antananarivo izany tsy afaka ampiantranonay, ka maro ireo natory tao Vatomandry vokatra izany, izay niala vao maraina niatrika ilay fambolen-kazo tao Mahanory amin’ny lalana 83km. Nisy fiantraikany tamin’ny fidiram-bola taminay mpandraharaha ara-trano fandraisam-bahiny ny zava-nisy hoy izy ireo nitaraina tamin’ny mpanao gazety. “Tato amiko izao nisy olona dimy naka efitrano tsy nandoa vola, raha notakiana izany dia nilaza izy ireo fa any amin’ny lehiben’ny distrka izany, ny lefitry ny distrika rahateo no nanatitra ireo olona naka ireo efitrano”. “Tsy sahy nampiditra olon-kafa izahay fa niandry ny avy amin’ny distrika hany ka tsy feno akory ireo efitrano tao aminay, nefa fotoana noheverina mba hampidi-bola ho anay iny andro iray”, hoy ireo mpandraharaha nanaho ny alahelony. Ankilan’izany dia natao gaboraraka ihany koa ny fepetran’ny fifamoivoizana amin’ny fiarovana ny ain’ny olona. Natao antsirambina ny aina tamin’ny fanaovan’ireo mpitatitra ny taingim-be hatrany amin’ny tafon’ny fiara, tao nitaterina tamina kamiao toa entam-barotra.
Malala Didier