- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTrano fiangonana teto Toamasina : Saika raikitra ny sakoroka tamin’ireo Emmo-Reg…

Trano fiangonana teto Toamasina : Saika raikitra ny sakoroka tamin’ireo Emmo-Reg…

Sambany teto amin’ny tantaran’i Toamasina ny saika fisian’ny sakoroka teo amin’ireo fiangonana sasany sy ny Emmo-Reg. Ny antony dia noho ireo fiangonana sasany ireo tsy nanaiky intsony ny fampitsaharana azy ireo ka saika nivavaka ny alahady teo. Voatery nambenan’ny mpitandro filaminana mihitsy izy ireo noho ireo mpino nikomy tsy nanaiky ny tsy hivavahany intsony. Isan’izany ny fiangonana Fjkm Betela Tanambao V, ny fiangonana Fjkm Tanambao II, fiangonana Jesosy Mamonjy Tanambao V, fiangonana Fo masin’i Jesoa Tanambao V…sy ny hafa ihany koa. Raikitra ny fifamaliana tamin’ireto mpitandro ny filaminana sy ny mpino; nefa nandritra ny fifampiresahana dia nirava teny ihany ireo mpino maro tonga nivavaka nandritra izany. Nambaran’ireo mpino voatery noroahin’ny Emmo-Reg tao am-piangonana fa “aleo izahay hivavaka fa tsy misy mahatohitra ny herin’Andriamanitra izany…”. Nambaran’izy ireo hatrany fa “tsy nandà ny fisokafan’izy ireo ny governora tamin’ny fangatahana natao, fa ny nahagaga fotsiny dia ny prefe no nandà izany indray ny sabotsy hariva teo, nefa efa maro ireo fiangonana nanomana ny fisokafany ny alahady”. Matoa anefa nisy ireo Emmo-Reg nihetsika nanemitra ireo fiangonana sasany dia baiko avy amin’ny prefe izany, satria mbola mitazona ilay tsy fahafahana misokatra manerana ny nosy nolazain’ny filoham-pirenena ny tenany. Ankoatra izany dia nivoaka tamin’izao zava-nitranga izao ny zava-miafina rehetra mikasika ny fiangonana, satria misy ireo fiangonana mbola misokatra an-tsokosoko eny an-dalam-pasika rehetra eny, nefa dia jerem-potsiny izy ireo. Nomarihan’ny Emmo-Reg anefa fa ho avy ny fanaraha-maso azy ireny, ka hosaziana araka ny lalàna izy ireny mba tsy hahitan-doza amin’ity valanaretina Coronavirus ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici