- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversTrano fisotroana sy fandihizana eto Toamasina : Nakaton’ny fanjakana ny telo tsy mpanara-dalana

Trano fisotroana sy fandihizana eto Toamasina : Nakaton’ny fanjakana ny telo tsy mpanara-dalana

Mihevitra ireo olona tompon’ny trano fisotroana sy trano fandihizana eto Toamasina, fa raha mahazo alalana izy dia izay tiany no ataony fa tsy manaja lalàna. Misy ny lalàna velona eto amintsika, hoy ny prefen’i Toamasina Banandrasana Cyrille, ka izay tsy manaja ny bokin’andraikitra azony dia mikatona. Ny alakamisy alina teo dia nandray fanapahan-kevitra tamin’ny alalan’ny prefen’i Toamasina ny fanjakana, nanakatona ny trano fisotroana sy fandihizana roa ao Ankirihiry, dia “Paradise” sy “Willy”. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny mpitandro ny filaminana nanatontosa ity taratasy avy amin’ny prefektiora ity, dia ankizy vavy sy ankizy lahy tsy ampy taona, latsaky ny 15 taona, miisa 30 no sarona tamin’ireo toerana roa ireo. Avy hatrany dia nosamborina ireo ankizy lahy sy ankizy vavy tsy ampy taona tratra tao anaty trano fisotroana sy fandihizana ireto, nosamborina niaraka tamin’izy ireo koa ny tompony sy tompon’andraikitry ny toeram-pilanonana roa ireo, miatrika ny fakana am-bavany azy noho ny heloka vitany. Tsy nijanona tao Ankirihiry ny asan’ny mpitandro ny filaminana ny alakamisy alina fa nitohy tao amin’ny trano filanonana “Taxibe” Ampasimazava ihany koa. Nanaja lalana amin’ny tsy fampidirana tsy ampy taona aminy ity toerana ity, fa ny olana ho azy dia tsy manana fahazoan-dalana miasa amin’ny alina izy fa ny antoandro ihany, ka voatery nakatona ihany koa. Naverin’ny prefen’i Toamasina, Benandrasana Cyrille, hatrany fa fotoana ho fanarenana ny gaboraraka ataon’ny olona fahazarana izao, ka tsy mandefitra amin’izany ny prefektiora, hoy izy, fa tsy maintsy hampihatra ny lalana velona.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici