Omaly no notokanana ny trano fitsaboana nify ho an’ny Polisim-pirenena eny Antanimora. Mitetina 10.000.000ariary ny nenti-nanana ity toeram-pitsaboana nify ity, ka ny Consulat de Monaco no namatsy vola tamin’izany. Nanolotra ny toeram-pitsaboana tamin’ny fomba ofisialy Ramatoa Niry Rabemanolontsoa; izay vice Consul Honoraire-n’i Monaco. Notsiahiviny fa efa nanomboka tamin’ny taona 2005 no nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta, ka nisy hatrany ny fanavaozana sy fanatsarana ny dispensairen’ny polisy ary izao nitohy tamin’ny fananganana trano fitsaboana nify izao. Nisolotena ny minisitry ny Filaminana Anatiny kosa, ny sekretera jeneralin’ny polisim-pirenena, ny Contrôleur général de Police Razafimanantsoa Aimé Tantely izay nitondra ny teny fisaorana avy amin’ny Polisim-pirenena ho an’ny fanjakana Monaco. Naneho ny faniriany ny amin’ny hitohizan’ny fiaraha-miasa ny tenany.
Avy hatrany dia afaka miasa ity toeram-pitsaboana nify ity, satria efa misy ny fitaovana rehetra ilaina sy ny mpitsabo hisahana izany.