Nitrangana hay trano mahatsiravina tao Ambohimarina fokontany Andrefan’ivohitra kaominina Antsirabe I, ny Sabotsy atoandro lasa teo. Trano iray lehibe no kila hotohoton’ny afo, tsy nisy azo noraisina intsony tao amin’ity trano ity fa levon’ny afo avokoa rehefa fanaka. Tsy nisy tao an-trano ny olon tamin’io fotoana io fa nandeha tany Ambohibary namonjy rahaharam-pianakaviana raha ny nambaran’ny tompotrano. Tsy nisy nahatsikaritra ny famaizana ny olon teo an-tanana fa fiara sendra nandalo no nahatazana ny setroka ka nampandre ny manodidina.Teo vao niezaka namono ny afo ny fokonlolona saingy ef nihitatra ny afo ka nanano sarotra tanteraka ny famonona azy. Naharitra ora roa vao voafehin’ny fokonolona ny afo, niezaka niantso ny sampana mpamonjy voina teto Antsirabe ny fokonolona saingy nambaran’ireto farany fa tsy nisy nandray ny antso an-tarobia na dia efa sesisalany aza ny antso natao. Niteraka fahasorenana ho an’ny fokonolona ny toy izao satria tao anatin’ny tena nilaina azy ilay fiara mpamonjy voina nefa tsy hita popoka izay nisy azy. Ankoatra ny fahamaizan’ny entana rehetra tao an-trano dia nambaran’ny niharam-boina fa vola 1 tapitrisa ariary mahery no may kilan’ny afo niampy firavaka sarobidy maromaro sy solo saina iray. Raha ny fanazavana nomen’ny tompon-trano dia mety ho fiakaran’ny herinaratra ambony no niteraka ny loza satria somary maivana ny tanjaky ny “fil” miasa ao an-tranonin’izy ireo, nanamafy izany rahateo ny JIRAMA nijery ifotony ny famaizan. Ny mahagaga hoy hatrany ny fanazavana dia efa maherin’ny 13 taona ireto fianakaviana ireto no nipetraka tao amin’ity trano ity saingy tsy nisy firehetena toy ity.
Andry N.