- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTrano Kolotoraly Malagasy : Hofidina ny Alakamisy izao ny ho filoha vaovao

Trano Kolotoraly Malagasy : Hofidina ny Alakamisy izao ny ho filoha vaovao

Araka ny fivoriamben’ireo mpikambana ao amin’ny  Trano Kolotoraly Malagasy; izay natao ny tolakandron’ny 11 aogositra lasa teo, dia hotanterahana ny Alakamisy 15 aogositra ho avy izao ny fifidianana izay ho filoha vaovaon’ity fikambanana ity.  Hatomboka amin’ny  2 ora sy sasany izany ka ao amin’ny foiben’ny Trano Kolotoraly Malagasy ao Soarano no hifamotoana ireo mpikambana. Mba tsy hisorohana ny mety ho olana, dia ny komity izay efa natsangana tamin’io fivoriambe natao ny  11 aogositra 2019  io no hikarakara izany fifidianana izany. Io komity io no mandrindra sy  misahana vonjimaika ny raharaha rehetra eo anivon’ny fikambanana mandra-pitsangan’ny birao vaovao, satria efa tapitra tamin’ny volana jona 2019 teo ny fe-potoana niasan’ny teo aloha.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici