- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversTrano nirodana : Olona telo no namoy ny ainy, roa hafa naratra...

Trano nirodana : Olona telo no namoy ny ainy, roa hafa naratra mafy

FD-(1)Tsy teto an-drenivohitra ihany akory, no nisiana trano nianjera taorian’ireo rotsaka-korana andro maromaro izay. Raha ny fantatra hatreto, araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny mpitandro filaminana, dia  telo ireo olona namoy ainy, tany amin’ireo faritra manodidina ny renivohitra, raha iray tamin’izany no naratra mafy.

Andramasina. Namely dia namely ihany koa ny orana sy rivotra tany amin’iny faritra Andramasina iny. Lehilahy iray, manodidina ny 45 taona teo, no maty nianjeran’ny trano nipetrahany ny alin’ny zoma tokony ho tamin’ny 8 tany ho any, tao amin’ny fokotany Ambaribe. Araka ny fantatra, dia ity raim-pianakaviana ity irery no tavela tao amin’ilay trano nirodana, raha samy avotra soa aman-tsara kosa ireo fianakaviany.

Mahitsy. Trano ihany koa no nirodana taorian’ny ora-mikija teny Mahitsy, ny asabotsy lasa teo. Olona iray no naratra mafy sy voatery nalefa haingana namonjy toeram-pitsaboana tao amin’ny hopitaly Ambohibe. Raha ny vaovao azo, dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ity olona naratra ity.

Ambohimalaza. Tany amin’iny faritra Ambohimalaza iny, trano roa no indray nirodana taorian’ny rotsa-korana sy ilay andro ratsy nandalo teto amintsika iny. Araka ny vaovao voaray, dia ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, trano iray no nianjera tamin’ny trano iray nifanila taminy. Vehivavy iray manodidina ny 32 taona teo no tavela tao anatin’ilay trano faharoa, ka naratra mafy vokatr’izay. Rehefa voasokitra tao ity ramatoa, dia nentina namonjy toeram-pitsaboana. Indrisy fa tsy tana intsony ny ainy, araka ny fanazavana azo.

Ankazobe. Ankizikely iray, mbola vao telo taona monja no namoy ny ainy, vokatry ny firodanana trano iray, taorian’ireny firotsahan’ny orana ireny, tao  Ambohidroa, Ambohitromby. Olona enina izy ireo no tao amin’ity trano nirodana ity, raha ny vaovao voaray tany an-toerana. Avotra soa aman-tsara avokoa izy ireo, saingy ity ankizikely ity no tsy tana intsony ny ainy taorian’ny ratra nahazo azy.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser