Vatana mangatsika roa no nisy nanatitra tao amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly tetsy Ampefiloha. Olona voasambotra izy ireo ary notazomina tao anaty « violon », araka ny fanazavàna azo teny an-toerana. Tsy fantatra anefa izay niseho tany fa izy ireo niafara tetsy amin’ny tranom-paty no hita hatreto. Efa tsy nisy aina intsony.
Afak’omaly izy ireo no naterina teny anivon’ity hôpitaly iray eto an-drenivohitra ity. Mpitandro filaminana ireo nanatitra ireo tamin’io fotoana io, raha ny voalaza. Ny iray tamin’ireto naterina ireo no efa tsy nisy aina intsony, tamin’ny fotoana nahatongavany teny amin’ilay toeram-pitsaboana, ary avy hatrany dia navantana tany amin’ny tranom-paty. Ny iray kosa mbola nisy aina ihany na dia efa nalemilemy sy tsy nahatsiaro tena intsony aza. Ity farany izay nentina novonjena tamin’ny sampana vonjy taitra tao amin’ilay toeram-pitsaboana saingy indrisy fa tsy avotra intsony ihany koa ny ainy omaly maraina. Samy feno ratra sy mangana ny tenan’izy ireo iray manontolo, izay azo heverina fa mety ho vokatry ny daroka sy ny vono nihatra taminy. Ary izay ary ve no mety ho nitarika ny fahafatesany.
Raha ny angom-baovao tetsy sy teroa dia toa hoe olona voasambotra sy voarohirohy tamin’ ilay fanafihana niharo vono olona niseho tetsy Ankadindramamy ireto olona maty ireto. Raha ny mahakasika ity farany anefa dia fantatra fa ny pôlisim-pirenena no nandray an-tanana ny raharaha. Nisy iray tamin’izy ireo rahateo no lavo tamin’io fanafihana io , niaraka tamin’ilay mpandraharaha voatafika. Efa nampahafantarin’izy ireo, fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ilay fanafihana fa efa nisy olona roa voasambotra tamin’io raharaha io. Saingy raha ny mahasika ireto olona namoy ny ainy ireto dia nilaza ho henon’izy ireo fotsiny, saingy tsy manana vaovao omena ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena, raha nanontanianay ny sampana seraseran’izy ireo. Toraka izay ihany koa moa ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, izay tsy mahafantatra ny fisian’ity tranga ity akory. Mipetraka araka izany ny fanontaniana, « violon » taiza no nahafaty ireto olona ireto ?
m.L