- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversTranon’ny Filoham-pirenena : Nandeha ny feo fa nisy « court-circuit » indray

Tranon’ny Filoham-pirenena : Nandeha ny feo fa nisy « court-circuit » indray

Omaly tokony ho tamin’ny 8ora alina teo, nandeha ny feo fa nisiana « court-circuit » indray ny tao amin’ny tranon’ny Filoham-pirenena, teny Tsimbazaza. Raha nankeny an-toerana, nijery ny zava-misy izahay, dia nanambara ny lehiben’ny fiarovana ity tranon’ny Filoham-pirenena ity fa tsy na inona na inona mety nampiahiahy teny an-toerana. Ny sampana mpamonjy voina ihany koa, izay tonga nijery ny zava-nitranga teny Tsimbazaza, raha vao nandre io vaovao io, ary nanontaninay dia niverina maina sy nilaza fa milamina tsara tsy misy ahiana eny an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser