Omaly tokony ho tamin’ny 8ora alina teo, nandeha ny feo fa nisiana « court-circuit » indray ny tao amin’ny tranon’ny Filoham-pirenena, teny Tsimbazaza. Raha nankeny an-toerana, nijery ny zava-misy izahay, dia nanambara ny lehiben’ny fiarovana ity tranon’ny Filoham-pirenena ity fa tsy na inona na inona mety nampiahiahy teny an-toerana. Ny sampana mpamonjy voina ihany koa, izay tonga nijery ny zava-nitranga teny Tsimbazaza, raha vao nandre io vaovao io, ary nanontaninay dia niverina maina sy nilaza fa milamina tsara tsy misy ahiana eny an-toerana.
m.L