
Ny fo ranomafana tokoa ary mahavita ny tsy azo eritreretina ny olona iray rehefa tena tezitra. Toy izany ity tranga niseho tao Ampatakamaroreny, tany amin’iny distrikan’i Mandritsara iny, herinandro lasa teo. Araka ny fampitam-baovaon’ireo namana avy any an-toerana dia lehilahy iray no nosamborin’ny zandary tany an-toerana, rehefa namono nahafaty lehilahy iray hafa. Ity farany, izay voalaza hatrany fa tratry ny tompom-bady teo am-panaovana firaisana ara-nofo tamin’ny vadiny. Nentin’ny fahatezerana teo am-pahitàna ny zava-nisy, avy hatrany dia nandray antsy ity tompom-bady ary nampiasa izany teny amin’ilay rafilahiny. Rehefa notsindrominy tamin’ny antsy dia mbola norasarasainy tamin’izany zava-maranitra izany ihany, ka tsy navelany raha tsy namoy ny ainy. Nisy nampandre avy hatrany moa ny zandary ary tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy. Natao avy hatrany ny fisamborana ilay namono nahafaty ary nentina nanaovana famotorana. Torak’izay ihany koa ilay vehivavy vadiny. Ny voalohan’ny herinandro teo nokasaina hampiakarina Fampanoavana ny raharaha. Fa mbola tany amin’iny faritra Sofia iny hatrany ary mbola resaka mpivady. Lehilahy iray no nitolo-batana tao amin’ny kaomisarian’i Bealalana, rehefa namono nahafaty ny vadiny. Araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia nisy fifamaliana teo amin’izy roa ireto omaly maraina. Tsy vitan’ny vava intsony anefa fa nisy fikasihan-tanana mihitsy. Nihamafy ary niafara tamin’ny fahafatesan-dramatoa. Vao nahavita izay ary tonga saina tampoka tamin’ny nataony ingahy dia nandeha nanatona ny pôlisy avy hatrany. Nentina niala sy nihazo an’Antsohihy avy hatrany ity lehilahy 24 taona, hanohizana ny fanadihadiana sy hisorohana. Izany dia hisorohana ny mety ho fihitaran’ny raharaha : valifaty na fitsaram-bahoaka.
m.L