Efa mahita zavatra atao ireo andian-jiolahy mpanafika sy mpanendaka eto Toamasina ankehitriny. Tsy vitan’ny manao ny asa ratsiny andro alina intsony izy ireo fa na antoandro be nanahary koa aza, raha mahita hirika kely amin’ireo tiany hokendrena.
Ny alakamisy teo tokony tamin’ny 1 ora sy sasany, teo amin’ny bazary Tanamakoa, raha nijanona hivoaka hividy zavatra vetivety ny mpamily ity fiara 4×4 an’ny orinasa FDC ao Mangarivotra atsimo, dia tonga avy hatrany ireto andian-jiolahy efatra nanambana basy azy. Tsy afa-nanohitra ilay mpamily noho ny antsy sy ny sabatra efa an-tenda sy teo amin’ny kibony, dia nivoaka tao anatin’ilay fiara nentiny. Avy hatrany dia nentin’ireto andian-jiolahy ilay fiara, saingy tsy nanaraka arabe izy ireo fa niditra ny tsena izay feno mpivarotra sy olona ka sahirana. Tonga haingana anefa ny antso tamin’ny FIP Toamasina ka avy hatrany dia raikitra ny fikarohana sy ny fisamborana. Tsy mbola lasa lavitra ireto jiolahy, araka izany, ka nifanehatra tamin’ny FIP Toamasina. Afa-nitsoaka ny telo lahy, Ingahy Clement 24 taona nitondra ny fiara no sarona ambodiomby tao Tanamakoa.
Malala Didier