Tranga tsy fahita saingy nitranga teto Toamasina, tao Mangarivotra atsimo, satroa olombelona izao no sahy nanolana akohovavy. Tratran’ny olona izy raha nahare ireo olona ireo fa misy zavatra mikoropadropaka teo anelan’ny trano roa samy hafa. Nihevitra ireo olona nahare izany fa mpangalatra akoho no natao, raha nojerena anefa doa tovolahy iray efa manao firaisana ara-nofo tamin’ity akohovavy no hita tao, ary nohazoniny mafy ilay akoho nandritra izany. Tsy nikoropaka nisambotra azy ireo olona nahita izany, noho izy zanaky ny mpiafilam-bodirindrina ihany. Taoriana izay vao nosamboriny ny olona izy ary nandritra izany no nilazany 15 taona izy, sy mpianatra amin’ny sekoly ara-panjakana iray ao Mangarano. Nambarany koa fa tsy manana vehivavy hiarahana izy, nefa te-hanao firaisana ara-nofo, ka izay no nahotonga azy niaraka amin’ny akohovavy. Sambany ity tovolahy ity nanao izany na efa ela aza nikendreny ilay akohovavy, fa tamin’iny andro iny tratranny ilay akohovavy dia nanaovany ny filan-dratsiny io. Samy nanana ny nambarany moa ny rehetra mikasika ity raharaha ity, fa raha ny fantatra dia mahavoasazy ny fanaovana firaisana ara-nofo amin’ny biby, indrindra raha fihinana izany. Maro koa anefa ny milaza fa misy ara-tsainy ity tovolahy ity, ka atahorana mafy amin’ny fanolanana tovovavy na zazavavy indray andro ho any raha tsy voatsabo dien’izao, hoy kosa ny hevitra hafa nivoaka.
Malala Didier